Antoko politika Teza

«Tsy azo atao maharitra intsony io fitondràna io»


  • Zoma 30 Mey 2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

hoy ny antoko politika Teza. Tsy afaka hampandroso an’i Madagasikara, hoy ny filohan’izy ireo, Jean Louis Rakotoamboa, fa natao hiaro ny tombontsoan’ny vahiny, indrindra, tombontsoan’ny tandrefana, tombontsoan’ny frantsay. Mifanohitra amin’ny tombontsoa malagasy izany, hoy izy. Izahay Teza manokana dia mametraka ny hoe tokony hanao fanorenana ilay firenentsika isika ka ireto no atao mandritry ny fotoana voafetra. Voalohany indrindra ny fanarenana ara-toekarena haingana. Faharoa, manao fanadiovana ny fiainam-pirenena. Betsaka ny mpangalatra eto. Betsaka ny mpanao zavatra tsy mety eto amin’ity firenena ity. Ilaina tsaraina amin’ny fomba mendrika ireny. Fahatelo, mametraka filaminana manerana an’i Madagasikara. Fahaefatra, manao ny fanorenana ny firenena amin’ny alalan’ireo fototra demokratika dia ny lalàmpanorenana, lalàna mifehy ny antoko, sata mifehy ny fifandraisana sy ny mifanaraka amin’izany rehetra no iarahana mijery sy hifanarahana avy eo. Ao anatin’izay dia mila miala haingana ingahy Rajoelina fa tsy mahavita fa vao mainka mandetika ny firenena. Any Afrika izao dakadakan’ny olona ny frantsay satria manao lohana mpanjanaka na «colon». Any Niger, Mali, Burkina Faso, Sénégal, Tchad, Centrafrique sy ny rehetra izao efa dakadakan’ny olona ny frantsay fa aty amintsika izy, noho ny saribakoliny na babakotom-bazahany eto, dia aty izy no mamikitra. Tsy azo atao maharitra intsony io fitondràna io fa tsy maintsy raisintsika vahoaka an-tanana hahafahantsika mametraka ireo zavatra miisa 4 teo ireo haingana, hoy hatrany ny antoko politika Teza!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT