Antoko politika Teza

«Tena malemy tsy manam-bahaolana afa-tsy fisamborana ny fitondràna!»


  • Alakamisy 13 Febroary 2025

Ny zava-miseho rehetra ankehitriny dia vokatry ny fifidianana, hoy ny antoko politika Teza.

efa nilaza mialoha ny Teza, hoy ny filohany, Jean Louis Rakotoamboa, fa tsy nandray anjara satria ilay fitsipi-dalao amin’ilay fifidianana mihitsy no tsy mety fa mampiady sy mampamono eto amintsika. Ny sasany nefa moa, hoy izy, niroso ihany dia io no vokany. Ny zava-dehibe aloha dia samy mahita hoe tsy mety ny fitsipi-dalao momba ny demokrasia eto amin’ny tany sy ny firenena. Iaraha-mahita io fa amboletra sy sarintsarim-pifidianana fotsiny, atao izay ahalany ny fitondràna eto. Etsy an-daniny misy mba manohitra dia ireny ahiditra am-ponja ireny satria aza adino fa fitondràna mafia io. Ireny no fisehony amin’ny fanaparam-pahefàna ataony. Izay no heverina fa mety mba hampanjakàna izay ho demokrasia eto Madagasikara. Tena malemy tsy manam-bahaolana afa-tsy fisamborana ny fitondràna no fahitan’ny Teza azy! Toe-draharaha tsy azo iainana ny toe-draharaha amin’izao fotoana izao satria na ara-toekarena na ara-tsosialy na ara-politika dia krizy daholo. Toe-draharaha tsy mari-toerana na «instable» ka ny dikan’izany dia ny fialàn’ingahy Andry Rajoelina ihany no fanafodiny. Ny olona tsy afaka hiaina lava ampihorohoroana sy gadraina sy angalaram-bato sy hanaovana izao lotom-pitondràna rehetra izao. Tsy afaka hiaina amin’izany ny olona fa tsy maintsy mitroatra io olona io na dia mbola ratsy lamina na hoe «mal organisé» aza angamba no fahitàna azy izao dia tsy maintsy mitroatra io! Indrindra fa ingahy Andry Rajoelina olona miaro ny fitondràna frantsay sy ny tombontsoa frantsay. Io izao i Macron ato ho ato ho avy aty amin’ny ranomasimbe indianina, ho any La Réunion, Maorisy, Madagasikara hampandry ny tombontsoany aty satria any Afrika izy efa voadakadaka. Voadakan’i Tchad, Mali, Niger, Sénégal, Centrafrique sy ny maro hafa. Voadakadaka any izy fa tsy misy manaiky intsony ny olona. Eto amintsika sisa no be babakoton’ny frantsay dia mbola matanjaka sy tohanan’ny fitondràna eto izy, hoy hatrany ny Teza.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT