Antoko politika Teza

“Takiana amin’ny frantsay ny fampodiana an-dRajoelina!”


  • Alarobia 13 Septambra 2023

Ny zava-misy hitantsika amin’izao fotoana izao, hoy ny antoko politika Teza, dia tafiditra anaty fifampiraharaham-pifidianana na

arrangement électoral” izay arindran’ny frantsay sy amerikanina ary ny ekipa mafia eto Madagasikara. Tokony handray andraikitra, hoy ny filohan’ity antoko ity, Jean Louis Rakotoamboa, ny fitondram-panjakana frantsay, hampody an-tanindrazana ny olompireneny antsoina hoe Andry Rajoelina. Be loatra ny famotehana nataon’io olona io eto amin’ity firenena ity. Mody mamono sofina ny frantsay. Takiana amin’ny frantsay ny fampodiana an’i Rajoelina haingana faran’izay haingana! Tsiahy fotsiny hoe tamin’ireny fanonganam-panjakana 2009 ireny dia aza adino fa ny frantsay, ingahy Sarkozy, no naniraka olona ho any amin’ingahy Didier Ratsiraka hoe ampio i Andry Rajoelina hanongana an’i Ravalomanana. Olon’ny frantsay i Andry Rajoelina tamin’ireny fotoana ireny fa izao izy teratany frantsay mihitsy. Nomena izany “naturalisation” izany. Fantatry ny frantsay tsara izao fa tsy tokony hitsabaka aty amin’ny raharaham-pirenena hafa ny frantsay nefa dia io izy mbola avelany hanao izay tiany atao eto io. Tsy tokony hisy fifidianana fa aleo alamina aloha ny firenena. Anaty savorovoro, anaty toe-draharaha hita fa hiteraka korontana dia mbola milingilingy ihany ireo kandida ireo hirotsaka ho fidiana miaraka amin’i Andry Rajoelina. Fankatoavana fikorontanana sy filentehan’ny firenena indray aminay no dikan’izany. Mba tsy hisian’ny ra mandriaka eto amin’ity firenena ity dia tokony mampody io olompireneny mpanompo mahafa-po azy io ny frantsay. Ny mahatonga ny fikorontanana eto amin’izao dia ny mbola fikasan’andriamatoa Andry Rajoelina hitondra indray ilay firenena malagasy. Fanitsakitsahana an-kitsirano ny fiandrianam-pirenena malagasy izany. Aleo aloha manorina repoblika na manao “refondation de la république” isika. halamina ny fitsipi-dalao rehetra momba ny fifidianana sy lalàmpanorenana fa tsy mbola milingilingy hanao fifidianana nefa ny firenena anaty fisavoritahana tanteraka, hoy hatrany ny antoko politika Teza.
J. Mirija

 

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT