Politique

Antoko politika Teza “Ny tandrefana no mampidangana ny vidim-piainana eto”


  • Alakamisy 20 Oktobra 2022

Raha rava ny vondrona na “bloc” sosialista tamin’ny fotoan’andro, hoy ny antoko politika Teza, dia nifanarahana hoe aza itarina miantsinanana intsony ny OTAN.

Nanaiky izany ny rehetra, hoy ny filohan’izy ireo, Jean Louis Rakotoamboa. Nokitihan’ny filoha amerikanina tamin’izany, George W Bush, anefa ny firenena sosialista taty aloha. Nampidiriny tanaty OTAN daholo. Tsy fahamendrehana izany. Taitra ny rosianina hoe tadiavin’ny amerikanina darohana isika ka aleo hiezaka be satria manana baomba atomika farany matanjaka. Miezaka hatramin’izao ny rosianina. Nisy ireny fihetsiketsehana tany Maidan ireny izay natosiky ny amerikanina. Nisy ny fifanarahan’I Mings ny taona 2014 tany Bielorosia izay ny frantsay, alemanina, rosianina no vavolombelon’ny hoe omena fahalalahana kokoa ireo faritra misy rosianina saingy natambatra fotsiny tamin’ny okrainianina tamin’ny fotoanan’ny vondrona sovietika. Tsy avelan’ny okrainianina, izay saribakolin’ny amerikanina, ampiasaina any aminy tsinona izany teny sy sivilizasionina rosianina izany mba hanaovana fahirano an’I Rosia. Tsy noraharahian’I Zelenski ny fifanarahana. Nodarohany ireo rosianina anatin’ireo faritra ireo. Niteny tamin’ny frantsay sy alemanina ny rosianina hoe mba teneno I Zelenski hoe tsy mety ny ataony fa mamono olona nefa tsy nisy niraharahian’ireo an’izany. Mitombona, noho izany, ny zavatra tenenin’ny rosianina sy io ataony amin’izao io ho anay Teza. Mbola miheritreritra azy ho tompon’izao tontolo izao ny tandrefana. Darofany izay tsy mifanaraka amin’ny lohany. Fisainan’ny olona mbola te hanjanaka izany. I Macron mba miteny ery hoe imperialist any rosianina fa manao fitsapan-kevi-bahoaka anaty ady nefa ny nosy manodidin’I Madagasikara bodoiny. Nifanarahana tany amin’ny firenena mikambana fa hajaina ny fiandrianan’ny tany iray nefa I Mayotte nampanaoviny fitsapan-kevi-bahoaka. Nesoriny tamin’I Kaomoro. Mpitari-bato vilam-bava I Macron. Mora ny solika any Rosia. Maimaimpoana ny zezika ary azo omeny antsika firenena madinika. Ny mampalahelo dia ny kaompania “multinational” tandrefana no mahatonga io vidim-piainana aty amintsika io ho lafo be. 6000 Ariary ny kilaon’ny zezika aty. Mody ataon’ny tandrefana fitaovana hampanakarena azy ny ady any Okrainina. Total, Galana, Jovena izao kaompanian-tsolika ana indo-pakistaney. Ny Shell koa an’ny tandrefana. Ny tandrefana no mampidangana vidim-piainana eto. Inona no tsy andehanan’I Andry Rajoelina mankany Rosia mitady zezika sy solika ho antsika malagasy ohatran’ilay hoe nataony tany Emirat Arabo mitambatra tamin’ny fotoana andro hoe hitady solika ho antsika nefa tsy nisy an’izany akory fa hanokatra kaonty tany Dobay angamba no nataony tany? Isika vahoaka no mizioga azy satria ny fanjakana mahazo 45% amin’ny hetra alainy amin’io. Tokony ahenan’ny fanjakana ny hetran’ireo dia mba ahenany koa ny vidin-tsolika, hoy hatrany ny Teza.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT