Antoko politika Teza

«Kitro ifaharan’ny frantsay sisa isika satria marionetiny no eto»


  • Alarobia 23 Jolay 2025

Efa fantantsika fa ingahy Andry Rajoelina dia nahazo fiofoana na «naturalisation»

frantsay, izany hoe frantsay izy, hoy ny antoko politika Teza. Rehefa mahazo an’io ianao, hoy ny filohan’ity antoko ity, Rakotoamboa Jean Louis, dia misy fepetra tsy maintsy arahinao. Tsy maintsy miaro ny tombontsoa frantsay ianao aloha, hoy izy, voalohany indrindra, ary amin’ny lafiny rehetra. Raha ohatra izany hoe misy fitrandrahana ara-miaramila na «recrutement militaire» fa hiady amin’ny rosianina ny frantsay dia azon’ny frantsay antsoina ianao ary miaro ny frantsay amin’izay fotoana izay. Hitantsika izao tamin’ireny nosy manodidina ireny. Izao tontolo izao, tamin’ny alalan’ny firenena mikambana, dia efa nilaza fa an’i Madagasikara ireo nosy kely ireo. Tsy misy adihevitra intsony ny amin’iny fa ny famerenana azy amin’i Madagasikara sisa adihevitra ifanaovana. Ingahy Macron midrikina hoe «Ici c’est la France!» rehefa nandalo tao amin’ny Nosy sambatra na «Iles Glorieuses». Natao ny fifanarahana tany dia ingahy Andry Rajoelina tsy mahazo mandaka ny frantsay fa tsy maintsy manaja ny tombontsoa frantsay dia iny izy mba nandefa delegasionina tany iny dia ny resaka natao tany dia hoe mba mahazo mandeha amin’ireo nosy kely ireo ve izahay ry Lafrantsa reny malala? Hoy ilay reny malala masiaka be hoe «Tsy mahazo! Voakapoka eo ianareo!». Tampina ny vavany, tsy afaka miteny intsony. Hiaro ny tombontsoa frantsay no ataon’ingahy Rajoelina eto! Hiaro ny nosy manodidina ho an’ny frantsay no ataony eto. Iny izao ny tany tsy fahita firy na «terre rare» ao Ampasindava dia ho azon’ny frantsay varoboba. Ho azon’ny amerikanina varoboba ny elmenita any amin’ny Base Toliara amin’izao fotoana izao. Ny hanantena hoe ingahy Andry Rajoelina hampandroso ny gasy na hiaro ny tombontsoany izany dia nofinofy. Teo izao nisy ny fivorian’ny filohan’ireo firenena aty amin’ny ranomasimbe indianina. Inona no mba tombontsoa gasy azo tao? Izay tian’ny frantsay nataony no nataony taty. Hatramin’i Maioty aza tadiaviny hanana ny toerany manokana anatin’ny COI. Tokony hiala amin’io COI io isika fa tsy misy ilàna azy ny fiaraha-miasa ao. Fifandraisana hafa mihitsy no tokony atao. Ny firenena afrikanina izao mandakandaka an’izany CDAO izany. Potika tanteraka izy izao ialàn’ny olona. Toy izany koa ny frantsay fa kitro ifaharan’ny frantsay sisa isika satria marionetiny no eto. Olona nahazo «naturalisation» frantsay no eto. Miha milentika hatrany isika satria milentika ny frantsay, bokan-trosa any ivelany any, dia ireo orinasa rehetra manana sampana na «filiale» any Frantsa fa miasa eto Madagasikara dia manao izay hahazoany tombontsoa eto fotsiny satria isika no mizioga ny zava-drehetra eto, hoy hatrany ny Teza.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

  • FITONDRANA ETO MADAGASIKARA
  • Zoma 24 Aprily 2026

Matetika misy poizina manodidina ny Filoha...

  • Fikaonan-doham-pirenena
  • Zoma 24 Aprily 2026

Haroso amin'ny volana May

  • Hary Razafindrazaka
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Manameloka ny fisamborana tanora

  • Afera fifofoana ny ain’ny Filoha
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Nivoaka ny anaran’ireo olona 11 any am-ponja…

  • Gérard Ramamimampionona
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Ohatrany samy lasa manana ny Gen Z-ny!»

Hijery ny tohiny
FTT