Politique

Antoko politika Teza “Fanjakan’ny Baroa, mafia, tsy tan-dalàna no eto izao”


  • Zoma 02 Septambra 2022

Ilay fomba fitantanana ao anatin’izao fitondrana Rajoelina izao mihitsy no fomba fitantanana Mafia no sady fanjakan’ny Baroa, hoy ny antoko politika Teza.

Raha tokony ho izy, any ifotony any, dia misy ben’ny tanana na delege na lehiben’ny distrika. Ireny ilay antsoina amin’ny teny frantsay hoe “Magistrat de la ville”, hoy ny filohan’izy ireo, Dr Jean Louis Rakotoamboa. Ireny mibaiko ny mpitandro filaminana sy mandamina ny any fa amin’izao fotoana izao misy ny SEG izay mibaiko ny olona feheziny araka izay tiany hanaovana azy dia mitifitifitra erak’io rehetra io. Tsy tan-dalana intsony. Misy koa etsy andaniny, governora, izay hitantsika ireny ny adalana maro ataony. Izany no tena atao hoe Baroa ary indrindra betsaka ny tsy maty manota eto amin’ity firenena ity. Noho ilay lalampanorenana sy lalana fehizoro samihafa dia izay mpitondra ambony tsy maty manota rehetra dia mandalo amin’ny afo fandiovana antsoina hoe antenimieram-pirenena. Raha vao tsy ny 2/3n’ny ao no manaiky hoe ho tsaraina izy dia tsy misy fitsarana azo atao amin’izy ireo. Aponga miantona tsy azo velezina izao ny HCJ na fitsarana avo. Anarany mba misy fa tsy misy tsarainy satria olo-marina sy mendrika daholo ny mpitondra ambony noho ny antenimieram-pirenena. Izany rehetra izany no miteraka ilay fanjakan’ny baroa sy governemanta mafia eto Madagasikara amin’izao fotoana izao ka ny olona no vonovonoina amin’ny tsy misy dikany sy tsy misy antony. Ny sasany tsy mandalo fitsarana dia tifirin’ny zandary. Sasany mbola ahiahiana dia tifirina. Mody atao hoe nitsoaka. Tena fanjakan’ny Baroa, tsy tan-dalana, mafia no misy eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Mikorontana ambony ambany ny fitondrana ny firenena. Samy manao izay danin’ny kibony, izay heveriny fa mety, hoy hatrany ny Teza.
J. Mirija
Legende: Ny filohan’ny Teza 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT