Repoblika vaovao antsoina hoe
Repoblika malagasy» no ilaina»
Fampatongavan-tsaina na «moralisation» ho an’ny fiarahamonina malagasy no tena andraikitry ny FFKM eto amin’ny firenena, hoy ny antoko politika Teza. Izay ny fiangonana, hoy ny filohan’izy ireo, Jean Louis Rakotoamboa. Na nanao fahotàna mahafaty aza dia mbola antsoiny foana. Tsy izay mihitsy nefa ny politika. Ny politika dia raha tiana hadio ny firenena dia mila gadraina aloha izay nanao adalàna. Mizioga ny adalàna nataony izy dia miverina amin’ny fiarahamonina avy eo fa tsy manary azy ny gasy. Ohatran’ingahy Rajoelina nisafidy ny ho lasa frantsay ihany io. Zony amin’ny maha olombelona izay fa tsy tokony hitsabatsabaka amin’ny raharahan’ny malagasy intsony izy. Ny teza manokana dia miantso ny hisamborana an’ingahy Andry Nirina Rajoelina fa be loatra ny fahotana mahafaty nataony. Mila tsaraina sy migadra eto izy. Hiditra amin’ny fanorenana na «refondation» isika izao. Tsy fanavaozana ny repoblika fahadimy no atao fa fanorenana miainga any ifotony no atao eto Madagasikara. Tsy fanohizana ny repoblika faha 4 ho lasa faha 5 fa repoblika vaovao antsoina hoe «Repoblika malagasy» no ilaina. Tsy mila hoe amboarina kely CENI na izao sy izao fa manorina ifotony vaovao mihitsy isika. Demokrasia mifandraika tsara amin’ny foto-pisainana malagasy sy miainga amin’ny fiarahamonina malagasy indrindra. Atao ahoana ny hanatsaràna io fiarahamonina malagasy io? Demokrasia tahaka ny inona no ilaina amin’io? Ho an’ny Teza manokana dia demokrasia andraisan’ny rehetra anjara, malalaka, mifandraika amin’ny fiarahamonina ifotony ary mampandray anjara ny rehetra ary azo araha-maso tsara no ilaina. Tsy ilaina ny manohy ireo repoblika miisa 4 tany aloha! Tokony ho 3 taona ny fikaonandoham-pirenena. An’ny FFKM ny hoe 1 taona sy 4 volana fa ny fikaonandoham-pirenena voalohany dia tokony hamaritra ny atao mandritry ny tetezamita. Ny herivelona rehetra eto amin’ny firenena na mpandraharaha na fiarahamonim-pirenena na antoko politika na iza dia tokony handray anjara amin’io fikaonandoham-pirenena io. Io amin’ny Teza no mamaritra ny fanarenana haingana dia haingana ny fiainana ara-toekarena sy sosialy eto Madagasikara anatin’ny 3 taona. Anisany ny fifehezana vidim-piainana, ny MID na «Marché interbancaire de devise», ny filàna an-davan’andro sy ny vidin-tsolika. Ilàna fanapahan-kevitra hentitra mba tsy hiakaran’ny vidim-piainana ireny. Ilaina anaty tetezamita koa ny fanadiovana ny fiainam-pirenena. Izay nangalatra rehetra teto amin’ity firenena ity, indrindra, ireny fiara 4X4 miisa 350 nampidirin’ingahy Camille Vital teto Madagasikara hatramin’ny andramena very ireny, dia mila hadihadiana. Toy izany koa ny raharaha volamena nivadika vy sy ny tariny. Ny kolikoly tao amin’ny minisiteran’ny fitsaràna tamin’ny fotoan’androny koa. Mila adihevitra nasionaly ny mikasika ny fifidianana. Io foana no nahatonga ny firenena tsy hilamina teto. Tafiditra amin’izany ny lalàmpanorenana, ny lalàm-pifidianana, ny lalàna mifehy ny antoko, indrindra, ny famatsiana ireo antoko satria teto hatramin’izay dia izay nahita famatsiana maizimaizina foana no lany. Na mangalatra tao amin’ny fitondràna izy na ampian’ny fikambanana maizimaizina any na vatsiana vahiny avy any ivelany sy orinasa avy any ivelany. Ny olona mandeha amin’ny fahamarinana tsy afaka satria tsy manam-bola. Lafo ny fanaovana politika eto Madagasikara. Ratsy ny lalana dia tsy maintsy mandeha 4X4 be dia be na angidim-by vao mahatety an’i Madagasikara raha hanao fampielezankevitra. Nisy filoham-pirenena iray nandany 50 tapitrisa nandaniana azy teto. Famatsiana maizimaizina no nahitàny izany. Tsy maintsy amboarina izany. Toy izany koa ny antoko politika miisa 300 mba ho lasa 4 na 5 sisa ary ny asan’ireo antoko politika, hoy hatrany ny Teza.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.