Politique

Antoko politika Solide “Manentana ny rehetra tsy hifidy an’i Andry Rajoelina”


  • Alakamisy 15 Desambra 2022

Ny 11 mey 2020 dia mbola nanamafy teo amin’ny mpiotifeon’ny France 24 ny filoham-pirenena Andry Rajoelina, hoy ny filohan’ny antoko politika Solide

Rainidina Rajoharison, fa antsika ireo nosy manodidina an’I Madagasikara. Septambra 2022 indray izy vao nilaza fa antsika ireo nosy ireo teo anoloan’ny firenena mikambana ary miandry ny fivoriana faharoa iarahana amin’ny frantsay. 3 taona izao no nilazan’io filoha io fa antsika ireo nosy ireo fa poakaty no azontsika mahakasika ireo nosy ireo. Be dia be ny nangatahana mahakasika an’ireo toy ny famoahana didim-panjakana milaza fa faritra faha 24 ireo. Hamoaka lalana fehizoro milaza fa antsika ireo koa tsy natao. Hanala ireo tafika frantsay ao koa tsy natao. Manentana ny olona rehetra izahay, noho izany, tsy hifidy an’I Andry Rajoelina satria tsy hahazoana ireo nosy malagasy io rangahy io. Manentana izay kandida rehetra hilatsaka eo koa mba hametraka ny fitakiana ireo nosy malagasy anaty praogramany satria fahavalom-pirenena izay tsy manao izany. Didier Ratsiraka no nitaky an’io ka namoahana ireny fanapahan-kevitry ny ONU ireny. Raha azontsika ireo nosy malagasy ireo dia ho foana ny fahantrana eto Madagasikara, hoy hatrany ny antoko politika Solide.
J. Mirija
Legende: Rainidina Rajoharison
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT