Politique

Antoko politika RPSD “Tokony horavana mihitsy ny governemanta”


  • Alatsinainy 21 Aogositra 2023

Tokony alamina ny pitsopitsony rehetra ahafahana miatrika fifidianana, hoy ny avy eo anivon’ny antoko politika RPSD ny sabotsy teo,

fa tokony hajaina kosa ny lalàmpanorenana. Alamino ny lalàm-pifidianana, hoy ny filohan’izy ireo, Andriatsizehena Urbain. Tokony ravana mihitsy ny governemanta! Tokony miova ny governemanta mitantana fifidianana. Miantso fivoriana tsy ara-potoana 12 andro eny amin’ny antenimieram-pirenena dia efa vita izany lalàm-pifidianana izany. Tokony hifandefitra ny mpitondra sy mpanohitra. Andininy vitsy ao anaty lalàm-pifidianana no tokony kitihina satria izay no mety hampiady. Fifidianana madio, mangarahara, eken’ny rehetra no tanjona. Tsy te handefitra ny fitondram-panjakana nefa tokony hifanaraka ny samy malagasy dia miravina ny olana fa tsy ilana fianakaviambe iraisampirenena. Lesoka be amin’ny fitantanana firenena io resaka zom-pirenen’ny filoham-pirenena io. Mpikamban’ny kaongresin’ny tetezamita tamin’ny fotoan’andro ny tena. Raha fantatray hoe nanao izany ny filohan’ny repoblika tamin’ny tetezamita dia nosakananay. Mikasika ny talen’ny kabinetran’ny fiadidiana ny repoblika moa dia miharihary izao fa isan’ny lesoka amin’ny fitondrana ity ny tsy firaharahiana mpanao politika. Olona mahafehy politika, afaka miresaka amin’ny antoko politika sy andrim-panjakana rehetra izany talen’ny kabinetra izany, hoy hatrany ny RPSD.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT