Antoko politika RCR

"Tsy adalanay ny mitety


  • Talata 04 Aogositra 2026

faritra manazàva"

Ny tsy fisian'ny "service public" na asa ho an'ny vahoaka any ifotony no antony lehibe mahatonga ny fitakiana federalisma, hoy ny filohan'ny antoko politika RCR, Laza Razafiarison. Nahoana tokoa moa, hoy izy, no tsy maintsy any Antananarivo vao mahavita Pasipaoro? Sarotra be ve ny manome andraikitra ny any amin'ny faritra hanao izany? Mahavaha olana koa ve anefa ny federalisma? Iza moa no sahy milaza fa I Miandrivazo dia maniry handeha Toliara raha miditra federalisma isika? Amintsika miteny izao dia mandalo Antsirabe sy Fianarantsoa zareo vao tonga any Toliara ka raha lasa "Etat federé" na fanjakàna federaly I Toliara dia mivaha ve ny olana satria mbola mandeha 900km ihany izy raha haka "permis de conduire" na fahazoan-dalana hitondra fiara? Mivaha ve ny olana "état civil" na ny fikarakarana taratasy maha olompirenena ka raha teraka any Antsiranana ianao dia mba miasa any Toliara ka raha haka kopia nahaterahana dia tsy maintsy mandeha 2000km? Iza no milaza fa Amparafaravola sy Andilamena izay any Alaotra dia maniry handeha 400km ho any Toamasina haka "permis de conduire"? Zareo any Antalaha ve dia mazoto handeha 400km mankany Antsiranana raha misokatra ny lalana Maroantsetra?Tsaratanana ve dia hisafidy Mahajanga raha hanao "mutation" na famindrana fiara raha azony atao any Ambiboho Amparafaravola? Marolambo tompoko misafidy miditra any Antanifotsy raha lalana fa tsy ho any Toamasina mihitsy hikarakara taratasy. Taolagnaro ve tena hisafidy Toliara raha misokatra i Vangaindrano, lalam-pirenena faha 12 na RN12? Tezitra moa ny olona rehefa manazava teoria fa izao no vokany rehefa samy tsy misy miasa saina hijery "probleme de fond" na olana fototra ka lasa ifandroritana ny hoe "Unitaire" na tokana sa "Fédéré" na fitsinjaram-paritra? Miova ve ny Rafi-pitsaràna? miova ve ny Rafi-panabeazana? Firenena aza isika tsy nahavita nametraka "Administration" na fitantanan-draharaham-panjakàna, mainka fa hoe hanomboka any amin'ny faritra ny "conception" na famolavolàna rehetra. Mbola adihevitra lalina ny "decoupage teritoriale" na fizaràna isam-paritra fa raha ilay lalàna mizara ny faritany ho miisa 6 dia ny Frantsay no nanao azy tamin'ny 1946. Tsy misy mivaha ireo olana rehetra ireo na miditra "Etat fédéré" izany aza. Tsy mbola mivaha koa ireo raha ilay "decentralisation verticale" na fitsinjaram-pahefàna mahazatra fotsiny. Tsy "structure" na "institution", izay samy adikantsika hoe rafitra na "régime politique" na fahefàna politika na "type d'Etat", izany hoe, endrim-panjakàna fotsiny no hovaina. Tsy adalanay ny mitety faritra manazàva fa izahay moa tsy misy hetsika sady be teoria dia ataovy tsinontsinona fa iarahana mizaka eto ny vokany, hoy hatrany ity antoko politika ity.
Nangonin'i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT