Antoko politika RCR-Tolona

«Ny fanabeazana ihany no ahafahana manandratra firenena»


  • Alakamisy 25 Aprily 2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

tarihin’ny filohany, Laza Razafiarison, nandritry ny fanolorana vatsim-pianarana ho an’ireo 18 mianadahy tsara vintana nomen’ny antoko izany tetsy amin’ny Motel Anosy omaly. Ny fanabeazana ihany, hoy ny filohan’ny antoko, no ahafahana manandratra firenena. Nandray handraikitra izahay eto anivon’ny RCR hanohana ireo mpianatra hita fa marefo sy mendrika eny amin’ireo oniversite rehetra manerana an’i Madagasikara sy oniversitem-panjakana. 896 ireo mpianatra niadina fa ireo 18 ireo no afaka tamin’izao andiany voalohany izao. Misokatra amin’ny volana may indray ny dingana faharoa. 120.000 Ariary isam-bolana no omena azy ireo. Tsy mifidy lalam-piofanana fa rehefa oniversitem-panjakana ka mafeno fepetra sady mazoto mianatra dia mahazo ilay vatsim-pianarana. Fanontaniana mikasika ny fahalalana ankapobeny, momba ny firenena, ny fandraisana andraikitra eny anivon’ny fiarahamonina, mikasika ny fianarana ataony no apetraka amin’ireo mpiadina. Maro dia maro ny kaomisionina eto anivon’ny antoko, hoy hatrany ny filohan’ny RCR. Miisa 32 ankehitriny ireo vatsim-pianarana manaraka efa vonona ao ary miisa 24 hatreto ireo malala-tanana mandray anjara amin’ny famatsiana izany, raha ny fanampim-panazavana hatrany.
J. Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT