Antoko politika RCR

“Mila mpitondra apetraky ny vahoaka fa tsy mpividy vahoaka!”


  • Talata 29 Aogositra 2023

Nanao fanambarana tetsy amin’ny Colbert Antaninarenina omaly ny antoko politika RCR na Tolona na Tambaben’ny

Olompirenena Nampiraisin’ny Andraikitra tarihin’ny filohany, Laza Razafiarison, fa miantso ny olompirenena handray andraikitra izy ireo. Fampivondronana ny malagasy tsy an-kanavaka, hoy ny filohan’ny Tolona, no atao mba hametraka mpitondra amin’izay satria izay mametraka no mibaiko. Hatramin’izay isika, hoy izy, dia nahita hoe mpitondra tsy napetraky ny vahoaka malagasy fa nividy ny vahoaka malagasy tamin’ny alalan’ny fanomezana no nahazo fahefana. Mpitondra tsy afaka hametraka rafitry ny toekarena hampandroso fiarahamonina izany. Tsy maintsy mitady mpitondra, noho izany, ny malagasy raha vonona hametraka rafitra politika hifidy rafitra toekarena mifanaraka amin’ilay fiarahamonina. Rafitra no olana eto amin’ity firenena ity. Miantso ny olompirenena tomponandraikitra rehetra izahay amin’ny 6 septambra raha vonona handrotsaka kandida. Afaka mandray anjara ianao na eto na any ivelany. Hisy laharan-tariby ho alefanay amin’ny tambazotram-pifandraisana samihafa hanaovany izay fitia tsy mba hetra izay. Raha mety aminareo ny fanovana rafi-pitsarana, rafi-panabeazana, rafi-pitantanana, rafitra amin’ny fananan-tany dia manana praograma miady amin’izany ny RCR. Ny mpikambana ato tsy misy manana zom-pirenena 2, tsy mbola nangalatra, azon’ny vahoaka malagasy atokisana fa tsy mbola nanota teto amin’ity firenena ity. Andao hametraka mpitondra fa tsy mpividy safidy, hoy hatrany izy ireo. J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT