Politique

Antoko politika PDCM “Laharam-pahamehana ny fahasalamana”


  • Talata 20 Desambra 2022

Niantso ny mpikamban’ny antoko politika PDCM na “Parti démocrate Chrétienne de Madagascar” ara-dalana rehetra omaly ny filohan’izy ireo, Rapetera Désiré,

fa ho tanterahana ny 20 sy 21 janoary 2023 io ny kaongresin’ity antoko ity. Mazava ny ho tanterahana fa ny fanavaozana ny mpitantana ny antoko PDCM izay hiasa mandritry ny 5 taona manaraka indray dia ny 2023-2028, hoy izy. Ny volana martsa 2023 izao no tapitra ny 5 taona ary araka ny voalazan’ny lalampanorenana dia mila manavao birao isaky ny 5 taona ny antoko. Tsy miova ny fijerin’ny PDCM ny raharaham-pirenena. Sahirana sy mahantra ny vahoaka malagasy. Olom-bitsy no misitraka ny harena nomen’Andriamanitra ho an’ny malagasy. Tsy voatsinjara ara-drariny ny harenantsika. Misy ny manan-karem-be. Misy ny fadiranovana. Ny tanjonay dia ny hanala izany fahasahiranan’ny vahoaka malagasy izany. Tsy dia hita loatra hoe izay no ataon’ny fitondram-panjakana raha mikasika ny fanatanterahana ny lalampanorenana no lazaina. Mazava ny voalazan’ny lalampanorenana ao amin’ny andininy faha 19. Andraikitry ny fitondram-panjakana ny miandraikitra maimaimpoana ny fahasalamam-bahoaka. Izaho anefa 4 andro no tao amin’ny hopitaly. 1,3 tapitrisa Ariary no laniko. Nitaraina ny zanako hoe tsy zakanay intsony dada ny vesatry ny fitsaboana ato fa aleo mody. Izahay aza tratran’izany ka mainka moa fa ny vahoaka tsy misy asa. Sahirana ny olona. Laharam-pahamehana ny fahasalamana. Ny andininy faha 24 koa milaza fa maimaimpoana ny fampianarana eto Madagasikara. 150 km miala eto nefa misy zaza 14 taona mbola tsy miditra an-tsekoly. Tsy misy fampianarana maimaimpoana izany eto no dikan’izany, raha ny tena marina. Manankarena I Madagasikara fa mahantra ny malagasy. Raha ny harenantsika an-dranomasina, ranomamy, ambanin’ny tany, ambonin’ny tany, ana habakabaka, amin’ny fizahantany, fadin-tseranana, hetra ka tafiditra anaty kitapom-bolam-panjakana daholo ny vola miditra amin’izany dia matoky ny PDCM fa afaka mamaha ireo olana voalaza rehetra teo ireo, hoy hatrany ny PDCM.
J. Mirija
Legende: Ny filohan’ny PDCM
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT