Nanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ny ambasadaoro Frantsay eto amintsika. Teboka maromaro, hoy ny antoko politika Otrikafo,
no noresahany tao fa ny roa amin’ireo no tianay hitondrana fanehoan-kevitra dia ny momba ny fifidianana sy ireo nosy Malagasy. Mazava fa mandrisika mafy ny hirosoan’i Madagasikara amin’ny fifidianana ny Frantsay ka milaza fa vonona hanampy ary tsy mitsabaka, hoy izy ireo. Ho anay dia tsotra ny fijerinay ireny tery na tsindry atao amin’ny fanjakana Malagasy ireny mba hirosoana amin’ny fifidianana na dia maro aza ny zavatra mbola tsy milamina manodidina izany, izay mbola tokony ilana fandaminana sy fifampiresahana amin’ny samy malagasy ka mila mandinika tsara aloha isika vao mandray fanapahan-kevitra amin’izay tokony hatao. Matoa Lafrantsa mandrisika antsika hiroso amin’ny fifidianana dia azo antoka izany fa mety efa mahita olona azony antoka fa hiaro ny tombotsoany rizareo ka ho tohanany hitondra an’i Madagasikara ka izay no tokony hitandremantsika. Azo antoka koa fa raha izao zava-misy izao no hirosoana amin’ny fifidianana dia ho korontana no aterak’izany ka tokony ho mailo isika rehetra satria raha misy korontana eto dia rizareo no hahazo tombony amin’izany fa tsy isika Malagasy velively ka mamerina hatrany izahay hoe mialohan'ny hirosoana amin’ny fifidianana dia aleo aloha asiana ny fifampiresahana mba tsy hanenenana. Mahakasika ireo nosy Malagasy, ity ambasadaoro ity dia nilaza fa hisy indray ny fifampidinihana amin’ny tany roa tonta amin’ity taona ity. Azo antoka anefa ny tsy ho fahombiazan’izany satria tsy manana fahasahiana sy fahavononana ny amin’izany ny mpitondra malagasy. Tsy azo adinoina ihany koa fa isany teboka iray tsy maintsy ataon’ny frantsay fepetra ho an’izany olona tohanany ny tsy hikitikitihana ireo nosy malagasy ireo ka izay no ilazanay hoe mila mandinika tsara isika amin’izay fanapahan-kevitra tokony ho raisina mba tsy hampidi-kizo ny firenena, hoy hatrany ny Otrikafo.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.