Politique

Antoko politika Otrikafo “Takianay ny tany tan-dalàna”


  • Zoma 23 Desambra 2022

Ny alakamisy lasa teo ny nosamborina ny mpampaneno lakolosy, Andry Biahary, ka nentina avy hatrany tany amin’ny fonjan’i Fianarantsoa rehefa avy nanaovana ny fikarakarana ny antontan-taratasim-pitsarana rehetra,

hoy ny antoko politika Otrikafo. Fantatra anefa, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Elia Rabevahiny, fa misy fonja sy fitsarana ao Toliara. Manao izao fanehoan-kevitra izao ny Otrikafo sy ny tenako manokana amin’ny maha zanaky ny faritra atsimo ahy satria efa manahirana ny zava-misy ankehitriny ka ilaina ny fitoniana mba hanaovantsika malagasy fety milamina na dia ao anaty fahantrana tanteraka aza isika. Tsy miditra loatra amin’izay antony nisamborana azy izahay fa mahita kosa fa tombotsoan’ny be sy ny maro sy Toliara manokana ny ady ataony ka tsy mendrika azy ny fonja. Mirary ny vahoakan’I Toliara sy ny malagasy rehetra mba hanao fety sambatra na dia mafy aza ny ady atrehantsika an-davanandro. Takianay Otrikafo ny hanajana ny “État de droit” na tany tan-dalàna satria zo sy adidy no mitaky sy mijoro amin’ny zavatra marina. Izahay anefa mahatsapa fa rariny sy ho tombotsoan’ny vahoakan’i Toliara no takiany ka tsy tokony hanamelohana azy. Ny mahagaga ihany koa dia maro ireo antoko sy mpanao politika milaza azy fa matanjaka any an-toerana nefa tsy mijoro tamin’izao zava-nitranga izao. Tokony mijoro ihany koa isika mpanao politika mba ho vahaolana fa tsy sanatria isika indray no hanitatra ny olana. Ety am-pamaranana dia mijoro ny tenako amin’ny maha zanaky ny faritra ahy no maneho ny alaheloko ihany koa amin’izao zava-misy izao na dia efa navela mody hamonjy ny fianakaviany aza ny rahalahintsika, hoy hatrany ny sekretera jeneralin’ny Otrikafo sy ity antoko ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT