Antoko politika Otrikafo

«Saribakoly avokoa ny ankamaroany na mpitondra na mpanohitra»


  • Talata 30 Jolay 2024

Safidy politika no ahafahana mamaha ny olana misy eto amin’ny firenena ankehitriny, hoy ny antoko politika Otrikafo.

Tsy misy izany hoe rahampitso izany dia mivaha ny olana, hoy ny filohan’ity antoko ity, Elia Rabevahiny. Tsy maintsy vahaolana maharitra, hoy izy, no tadiavina satria vahaolana paomady foana hatramin’izay no napetraka. Tsy nahavaha ny olan’ny firenena izany. Tsy maintsy io rafitra io mihitsy izany no jerena ny hanovana azy. Ahoana no hiheritreretantsika hoe mandrak’ity ny androany dia tsy hahavita fifidianana isika raha tsy ampian’ny avy any ivelany? Ny rafitra ara-toekarena dia fantantsika hoe iza no mbola mibahan-toerana eto. Ny mpanao politika amin’ny ankapobeny, na mpitondra izy na mpanohitra dia mbola samy saribakoly avokoa ny ankamaroany. Tena hamaha olana ve isika? Nampahantraina i Madagasikara. Mbola hanao vahaolana maimaika eo dia hanolo minisitra isaky ny 6 volana dia eto ihany foana ve sa tena hamaha ilay fototr’olana? Safidy politika io. Rehefa tena hamaha olana ihany dia andao ilay fototr’olana, ilay rafi-pampahantrana no tena vahana raha tena hiatrika fampandrosoam-pirenena marina isika fa raha isaky ny 6 volana na 1 taona dia hiverina amina krizy sahala amin’izao ny firenena dia vao mainka isika mandrendrika ity Madagasikara ity, hoy hatrany ny Otrikafo.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT