Efa nampanantena izahay fa hitohy ny tolona, hoy ny antoko politika Otrikafo,
na teo aza ny sazy miantona herintaona nanjo ny filohan’ny antoko, Elia Rabevahiny. Izahay rahateo, hoy ity filohana antoko ity, nampiakatra ny raharaha fa tsy nijanona teo ary efa mikarakara izany ny mpisolovava. Marina fa mikasika ny raharaha Base Toliara no nisamborana anay fa tsy mitovy hevitra amin’ireo olona mivoy izahay hoe inona moa no tokony hidiran’ny zanaky ny faritra hafa anatin’ny raharaha Base Toliara, hoy izy? Na miresaka Base Toliara isika na Ampasindava any Ambanja, ny resaka fitrandrahana tany tsy fahita firy any avaratra, ny nosy Mitsio sy Sakatia, ny olana amin’ny resaka fitrandrahana harem-pirenena ao Bekily dia rakotra fitrandrahana tsy ara-dalàna i Madagasikara amin’izao fotoana izao. Mila atao raharaham-pirenena izany olana izany satria harem-pirenena no resaka eto. Tokony hialàna ny fomba fijery «Zarazarao hanjakàna!» satria mampitsitokotoko ilay olana! Tokony ho iray feo isika isika rehefa tombontsoam-pirenena! Tokony hiray feo isika hiezaka hamotika ireo manana hevitra maloto ka tsy manan-kevitra afa-tsy ny handroba ny haren’ity firenena ity na dia hamonoana malagasy aza! Mila firaisankinan’ny malagasy rehetra ny fahafahana mandrava izay hevitra maloto avy amin’ny fitondràm-panjakàna sy ireo firenena matanjaka omeny vahana handroba ny harem-pirenentsika. Tsy tokony hampihemotra ny fananganana milisy ataon’ny fitondràm-panjakàna! Tena milisy ilay Voromahery mitsangana ao amin’ny Base Toliara, izay heritreretina hamoretana ireo tompon-tanàna manohitra ilay fitrandrahana. Androany misy milisy ao atsimo. Rahampitso koa izany hisy ao avaratra hamoretana ny ao amin’ny Nosy Mitsio sy Sakatia. Ho lasa fomba fanao izany ny fananganana milisy hahafahana mamoritra ny vahoaka malagasy tsy manaiky fitrandrahana tsy ara-dalàna kasain’ny fitondràm-panjakàna ho atao amin’ny alalan’ireo orinasa matanjaka ireo. Mila mailo isika! Isan’ny teraka resabe teto Antananarivo ny fananganana mpandraharaha matanjaka iray io karazana milisy io. Inona izany no ilàntsika mpitandro filaminana karamain’ny vahoaka raha ho fenoina milisy eto? Dieny mbola tsy miparitaka eran’i Madagasikara ireo karazana milisy hatsangan’ny fitondràm-panjakàna miaraka amin’ireo orinasa mpitrandraka ireo dia tokony hampiray hery na hivondrona hanoherana izany isika. Miezaka mamondrona ny herin’ny tia tanindrazana ho amin’izany izao ny Otrikafo. Tokony ny tombontsoam-pirenena sy ny vahoaka malagasy no mibaiko ny fanapahan-kevitra rehetra eto. Tsy maintsy ho ampahafantarina ny vahoaka malagasy miandalana eo ny fivoaran’izany, hoy hatrany ny Otrikafo.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.