Politique

Antoko politika Otrikafo «Na lalitra mandalo aza izany dia heverina fa hanongana »


  • Talata 11 Aprily 2023

Mampametra-panontaniana, hoy ny antoko politika Otrikafo, ny antony handraisan’ny fitondram-panjakana fepetra hanakanana ireo hetsika an-kalamanjana.

Raha ny zava-misy dia na ny lalitra mandalo aza izany izao dia heverin’ny fitondram-panjakana mety hampiongana azy amin’ny sezany, hoy ny sekretera jeneralin’ity antoko ity, Elia Rabavahiny, dia izay no mahatonga azy manao an’io fihetsika io. Samy nanao izay endrika fanakatsakanana izay daholo moa izay fitondrana nandalo fa ny tamin’ity nisy tafahoatra. Vahao ny olana mampikaikaika ny vahoaka raha te hijanona ela eo amin’ny fitondrana. Raha hanasa an’andriamatoa prefe any an-tranoko ve aho izany izao dia tsy maintsy mangataka alalana aminy? Toy izany koa rehefa mba hifamangy ny mpianakavy? Vao mainka manaratsy ny endriky ny fitondram-panjakana izao. Raha alefa lavitra ilay izy dia hoe izahay koa ve izany tsy afaka hivory ato amin’ny foibenay ato Andravoahangy intsony? Na anaty trano na an-kalamanjana no resaka dia maneho ny tahotry ny fanjakana vokatry ny tsy fahombiazany izao. Aleo ny olona haneho ny heviny dia manao tan-tsoroka ny mpitandro filaminana. Sa ireo atao biby fampitahorana? Tsy misy ady eto fa ny tsikaritra dia mimenomenona noho ny tsy fahafaliana amin’ny endrim-pitantanana ankehitriny ny olona, hoy hatrany ny Otrikafo.
J. Mirija
Legende : Ny sekretera jeneralin’ny Otrikafo
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT