Antoko politika Otrikafo

«Mila mitandrina ny HCC amin’izay mety ho vokatra avoakany eo»


  • Alarobia 19 Jona 2024

Tsy misy vokatra azo andrandraina loatra amin’ny fitsaràna avo momba ny lalàmpanorenana na HCC,

hoy ny antoko politika Otrikafo, fa mazava ho azy hoe hanara-davahana sahala amin’ny efa fanarahan’izany rafitra izany ny baikon’ny mpitondra nifandimby teto hatramin’izay. Ny olana teto amin’ity firenena ity anefa, hoy ny filohan’izy ireo, Elia Rabevahiny, dia mazana krizy taorianana fifidianana foana. Tsy voatery ho fifidianana filohan’ny repoblika io. Mila fantantsika koa fa ny fifidianana solombavambahoaka dia tafiditra anatin’ilay hoe fifidianana manakaiky vahoaka. Mila mitandrina, noho izany, ny HCC amin’izay mety ho vokatra avoakany eo. Teto amin’ity firenena ity efa nisy izany hoe HCC 1, HCC 2. Mazàna io voka-pifidianana io no isan’ny niteraka korontana teto amin’ity firenena ity. Firenena iaraha-manana i Madagasikara dia miezaka hatrany aloha izany izahay mitondra ny anjara birikinay sy misintona ny feon’ny fiheritreretan’ny rehetra, indrindra, ireo ao amin’ny HCC ireo mba tena hoe lalàna marina no jerena, mba hihaino ny feon’ny fiheritreretany ry zareo fa tsy sanatria io vokatra avoakan’ny HCC io no hampikorontana indray ny firenena izay efa hita hoe latsaka anatina fahantrana tanteraka, hoy hatrany ny Otrikafo.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT