Politique

Antoko politika Otrikafo “Miaiky ny filoham-pirenena fa betsaka ny zavatra tsy mandeha eto”


  • Alarobia 04 Janoary 2023

Hafampana ny toe-draharaha politika amin’ity taona 2023 ity, hoy ny antoko politika Otrikafo sady nampiomana no nirary soa ny vahoaka malagasy manoloana ny fahatrarana ny taom-baovao.

Raha mandeha araka ny tokony ho izy ny zava-drehetra, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Elia Rabevahiny na Rabe Otrikafo, dia hiatrika fifidianana miisa 2 isika amin’ity taona ity. Fifidianana filohan’ny repoblika, ben’ny tanàna sy mpanolontsain’ny tanàna. Raha izao rivotra politika mitsoka izao sy ny rivotra sosialy manoloanan’ny fikaikaikan’ny mpiray tanindrazana amin’ny fiakaran’ny vidim-piainana anefa dia hoy izahay hoe sarotra ny hiheverana fa ho tody any amin’ny fifidianana 2023 isika satria mbola ho aritry ny vahoaka malagasy ve izao fahantrana izao mandra-pahatongan’ny fifidianana? Azo heverina ve ny tsy hisian’ny fipoahana sosialy raha izao no zava-misy mialohan’ny fifidianana? Raha ho tanteraka amin’ity aza ny fifidianana dia azo heverina fa io indray izany no lalana hitondra any amina krizy vaovao na krizy aorian’ny fifidianana satria fantatsika fa ny mpitondra ankehitriny na dia ambany be aza ny fankafizan’ny malagasy azy sy ny herijika hiverenan-drizareo eo amin’ny fitantanana ny firenena dia tsy maintsy hampiasa ny fahefana eo am-pelantanany ahafahany mitazona ny fitondrana koa izy raha hiroso indray amin’ny fotoam-piasana faharoa. Sarotra ho aty amin’ny fanoherana sy ny vahoaka manaraka ny toe-draharaham-pirenena koa anefa ny hanaiky ny halatra tsy maintsy ho ataon’ilay mpitondra ao anatin’izay fifidianana izay. Ny firosoana amin’ny fifampiresahana ihany noho izany no vahaolana. Miantso fitoniana politika ny filoham-pirenena farany teo. Miaiky izany ny filoham-pirenena fa betsaka ny zavatra tsy mandeha eto. Iaraha-mahita ny fahasahiranan’ny fitondram-panjakana nandoa ny karaman’ny mpiasam-panjakana teo. Ahoana ity janoary ity? Ho potika ity firenena ity raha mbola hisy fidinana an-dalambe indray ka manana fotoana ny fitondram-panjakana hirosoana amin’ny fifampiresahana, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT