Antoko politika Otrikafo

Mampirisika bebe kokoa ny


  • Alarobia 04 Martsa 2026

fiaraha-miasa amin’ny BRICS

Nisafidy ny hiaraka amin’ireo firenena mivondrona anaty BRICS na fivondronan’ireo firenena tarihin’i Brezil, Rosia, Inde, Sina, Afrika atsimo ny fitondràna malagasy na ny marimarina kokoa ny filohan’ny fanavaozana ny repoblika, Kolonely Michael Randrianirina, hoy ny filohan’ny antoko politika Otrikafo sady mpanolontsaina tekinikan’ity farany, Elia Rabevahiny. Manana traikefa betsaka isika, hoy izy, nifandray tamin’ny tandrefana, indrindra, ny frantsay. Tsy dia tena mbola manana traikefa nefa isika amin’ny fiarahana amin’ny BRICS. Mampirisika bebe kokoa ny filohan’ny fanavaozana hiara-hiasa amin’ny BRICS, noho izany, ny Otrikafo. Tsy midika izany hoe vita hatreo ny fifandraisana amin’ny tandrefana. Mila mahay mijery isika hoe resaka ady tombontsoa no atao hoe diplaomasia na fifandraisana iraisampirenena. Mila mahay miady ny tombontsoantsika isika na iza na iza vondrona na firenena hanatonana ao anatin’izay. Fantantsika koa amin’izao ny ady eo amin’ireo firenena matanjaka sy firenena heverin’izy ireo fa osa nefa tokony hanangonan-karena. Mipetraka ny adihevitra izao hoe aiza izany ny fironan’ny fanjakàna malagasy manoloana io ady narehitry ny tandrefana dia ny amerikanina io? Ny olantsika aloha izao tsy miditra amin’ny adin’ny firenena matanjaka fa ny olantsika dia ny hoe ahoana no ahafahantsika mahazo tombony anaty fifandraisana iraisampirenena? Nisy firenena nahay nanararaotra ny COVID izao nampiakàrana bebe kokoa ny toekareny nefa ratsy ny COVID. Niainga tao Sina ilay aretina fa be dia be koa ny asa sy fivelomana niforona tao anatiny. Ny tombony ho antsika anatin’izao adin’ny firenena matanjaka izao izany aloha dia tsy ny fironana amin’ny fanohanana an’izatsy na izaroa fa ny hoe ahoana no ahafahantsika miady sy mametraka ny tombontsoantsika ao anatin’izay? Ahoana no ifehezantsika ny fari-dranomasintsika? Ahoana no ahazoantsika tombony amin’io? Ny faritry ny habakabantsika koa dia fantantsika fa tsy ahazoantsika tombony mihitsy. Izay te hiditra dia miditra. Ahoana no ifehezana an’io? Nosy isika fa tsy manana sisintany. Tokony ho sarotiny izany isika amin’ny fari-dranomasina sy habakabantsika. Ifampitadiavana amin’ny ady toy izao ny resaka rano sy sakafo. Manana tany ahafahana mamokatra isika. Inona no olantsika tsy itadiavana mpiara-miombon’antoka? Mety misy zavatra vitantsika eto. Tokony ataontsika ahafahantsika mamokatra izay. Eo, ohatra, ny resaka fanafarana sakafo. Eo koa ny resaka angovo. Lasa miteraka olana foana ny vidin-tsolika eto. Manana nefa isika ary efa misy mampiasa ny menaka mavesatr’i Tsimiroro. Isika nefa tsy misitraka azy. Maninona io no tsy ampiasaina? Lazaina fa tsy manana tekinolojia itrandrahana isika na tsy manana vola. Resaka finiavana politika nefa ilay izy fa tsy resaka tekinolojia na vola. Any no tokony jerentsika fa tsy sanatria hiaraka amin’ny BRICS indray dia hanara-drenirano ny baikon’ny tantsinanana fotsiny ohatran’ny nanarahana ny baikon’ny tandrefana. Mila akàna lesona ny fiaraha-miasa tamin’ny tandrefana, indrindra, tamin’i La Frantsa, hoy hatrany ny Otrikafo.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • POLITIKA sy RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila mailo ihany ny tanora

  • RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Tsy nanao amboletra naka Fitondrana

  • KOLONELY PATRICK
  • Zoma 17 Aprily 2026

Naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Nomena ny TIM ny fitantanana

  • Kolonely RANDRIANIRINA MICHAEL
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Indroa saika hisy hamono

  • FIKAONANDOHA, FANAVAOZANA
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila mafy amin’ny serasera ny fanjakana

Hijery ny tohiny
FTT