Politique

Antoko politika Otrikafo «Ho loharanona korontana io fifidianana io raha tsy mailo isika»


  • Alarobia 19 Aprily 2023

Nampahafantarina ny faran’ny herinandro teo tetsy amin’ny biraon’izy ireo etsy Andravoahangy ny birao vaovaon’ny antoko politika Otrikafo izay hiasa mandritry ny 5 taona.

Lany ho filoha na mpitarika ny antoko ny sekretera jeneraly teo aloha, Elia Rabevahiny. Marius Randrianatoandro no lany ho lefiny. Dieudonné Randriamiarisoa kosa no lany ho mpandrindra nasionaly ary Henry Randriamirado no mpandrindra mpanampy. Iny koa, hoy ny filoha vaovao, no famaranana ny zaikaben’ny antoko satria nisy ny fitetezam-paritra nataon’ny antoko izay nanangonana ny hevitr’ireo namana tany amin’ny faritra. Ireo renivohi-paritany miisa 6 eto Madagasikara no nanaovana izany nanomboka ny taona 2022 mba hanaovana tsapa-kevitra mikasika ny hitondrana ny 5 taona manaraka. Tsy miova ny fotokevitra na navaozina aza ny fitantanana. Tsy tokony ahemotra ny fifidianana fa tokony hialohavana fifampiresahana, raha ny hevitray hatrany. Mba tsy hahatonga ny fifidianana ho loharanona krizy indray dia asio fifampiresahana aloha! Fiandrianam-pirenena, tsy fiankinan-doha, tany tan-dalana hatrany no filamatray. Mila tan-dalana manomboka any amin’ny mpitantana firenena. Hanolotra kandida ve ny Otrikafo na hanohana na hiara-hiasa? Aloha loatra ny filazana izany raha tsy voavaha ilay olana voalaza teo satria averina foana fa ho loharanona korontana io fifidianana io raha tsy mailo isika, hoy hatrany ny Otrikafo.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT