Politique

Antoko politika Otrikafo “Fa tiana omena ny tsy miankina ve ny Jirama e ?”


  • Talata 06 Desambra 2022

Manana anjara 20% amin’io menaka mavesatr’I Tsimiroro io ny fanjakana Malagasy, hoy ny antoko politika Otrikafo, ka inona no sakana tsy hampiasana azy hamahana ny olan’ny JIRAMA?

Ny zava-misy, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Elia Rabevahiny, dia efa mivaritra amin’ireo orinasa tsy miankina vahiny ny Madagascar Oil. Matoa ireo mividy dia vahaolana ho an-drizareo izany ilay izy. Farany teo izao manodidina ny 500 miliara Ariary ny famatsiana na “subvention” nataon’ny fanjakana malagasy tamin’ny orinasa JIRAMA nefa tsy mahavaha ny olana akory. Raha ohatra ny anjaran’ny fanjakana malagasy amin’ilay menaka mavesatra fotsiny no omena ny orinasa JIRAMA dia fara-faharatsiny aloha mba foana ilay famatsiana fanao isan-taona ho an’ny orinasa JIRAMA. Miodidina ny 15% eo ny malagasy mba misitraka jiro sy rano avy amin’ny JIRAMA. Mbola mizara koa izay hoe firy isan-jato no mampiasa jiro, firy isan-jato no mampiasa rano. Ilay famatsiana anefa amin’ny anaran’ny vahoaka malagasy rehetra na ny mampiasa na tsy mampiasa ilay izy. Tena ho vahana ve ity olana ity? Mbola misy koa ny vahaolana lavitra ezaka toy ny “barrage hydroélectrique”. 5 na 10 taona izany vao vita raha tena ho atao ka afaka hiandry izany ve izao olantsika izao? Ny vahaolana mandeha amin’ny lafiny solika nefa mety ho vita amina resaka 5 na 6 volana. Tokony hazava hoe inona no fepetra raisin’ny fitondram-panjakana manoloana io varotra mamono antoka ataon’ny orinasa JIRAMA io? Vahaolana maika ny Tsimiroro fa mbola be dia be koa ny vahaolana maharitra saingy satria ve misy ny kopaka hisasahana amin’ireo kaompanian-tsolika miisa 4 dia tsy vahana mihitsy ny olan’ny JIRAMA? Fantatra fa ny orinasa Jovena no mpampiditra menaka mavesatra avy any ivelany eto amintsika. Ny dikan’izay dia misy sakana avy amin’ny orinasa JIRAMA sy Jovena ary ireo kaompania hafa ireo tsy ahafahan’I Madagasikara sy ny orinasa JIRAMA misitraka io menaka mavesatr’I Tsimiroro io satria manapaka ny fihinanan-drizareo. Mbola ny orinasa Jovena no mamoaka teny hoe rehefa tsy voaloan’ny JIRAMA ny vidin-tsolikan-drizareo dia ataovy “part en action” na anjara ao amin’ny orinasa JIRAMA. Misy paika maloto mihitsy raha jerena hanomezana mora foana ny sehatra tsy miankina ny JIRAMA. Fikasana hamotika ilay orinasa hanomezana azy ny tsy miankina mihitsy izany. Izany no tokony jeren’ny minisitra maika raha tena mitady vahaolana izy. Ny fitondram-panjakana mihitsy no toy ny manam-piniavana hamotika ilay orinasa mba hanomezana azy ny tsy miankina matoa tsy hampihariny ny tena vahaolana, hoy hatrany ny Otrikafo.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT