Antoko politika Otrikafo

“Efa tsy politika intsony no atao eto fa zavatra hafa mihitsy!”


  • Alatsinainy 27 Novambra 2023

Isany manamarika ny toe-draharaha politika amin’izao fotoana izao, hoy ny antoko politika Otrikafo,

ny fisamborana na fanenjehana ireo tsy mitovy hevitra amin’ny fitondram-panjakana. Miverimberina ny tantara, hoy ny filohan’ity antoko ity, Elia Rabevahiny, dia ny hoe matoa ny fitondram-panjakana miroso amina resaka fisamborana na fanenjehana tahaka ireny dia manomboka malemy izy izay. Ny dikan’ny hoe manomboka malemy dia manomboka tsy mahavaha olana. Toy io daholo no nataon’ny mpitondra nifandimby nefa noporofoin’ny tantara fa misambotra olona iray ianao dia mamboly fahavalo marobe hafa. Tsy vahaolana io fa fanehoana fahalemana sy fahatahorana. Mila atsahatra ny fampitahorana atao amin’ireo mpitarika sendika ireo. Manainga ny herivelona rehetra hamondron-kery hanohitra an’izao antsojay hatao amin’ny mpitarika sendika izao. Efa tsy politika intsony no eto fa efa zavatra hafa mihitsy, hoy hatrany ny Otrikafo!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT