Politique

Antoko politika « Ny Fireneko » «Ny olana eto dia hevitra diso no ampiharina»


  • Alakamisy 06 Aprily 2023

Vonona ny hitondra fampandrosoana ny firenena amin’ny alalan’ny fametrahana fotokevitra sy adihevitra fa tsy

fanohanana an’izatsy na zaroa na koa fanoherana an’izatsy na izaroa ny antoko politika Ny Fireneko, hoy ny filohany, Paul Rabary, nandritry ny fampahafantarana ny vinam-piarahamonin’ity antoko ity tetsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina omaly. Miainga amina fotokevitra dia ny fotokevitra liberaly ny Ny Fireneko, hoy izy. Anjaran’ny CENI no mampihatra ny lalana misy mikasika ny fifidianana. Ilaina ny fifampiresahana amin’ny mpiantsehatra rehetra. Hatsaraina izay tokony hatsaraina. Ny fampiharana aloha no tena zava-dehibe. Lalam-pifidianana efa nampiasaina tamin’ny 2018 no ampiasaintsika amin’izao fotoana izao. Mbola fotoana afaka hanatsarana izao. Ny rafitra tsy misy tonga lafatra fa ny olona ao anatin’ny rafitra no tokony hampiseho fa vonona. Tsy resaka fifidianana anefa aloha ny anio (TTF: omaly). Izay no fahadisoantsika rehetra. Tsy misy afa-tsy resaka fifidianana. Rehefa vita ve izany ny fifidianana dia vita hatreo ny politika? Hevitra sa olona no ho fidian’ny vahoaka? Efa nanandrana ny rehetra isika raha resaka olona fa ny hevitra no adino indrindra. Tsy te hiresaka fifidianana mihitsy izahay amin’izao fotoana izao. Raha hevitra diso tsy ampiharina tsy maninona fa ny olana eto dia ny hevitra diso no hampiharina. Tomponandraikitra amin’izay izany na ny tompon-kevitra na ny mpifidy, hoy hatrany ny filohan’ny antoko. Manome lanja ny fahafahan’ny rehetra miasa ny antoko satria izay no maha liberaly ny fotokevitra liberaly. Izay no vina dia ny hoe «Miara-miasa, miara-mihary, miara-mandroso». Mila mifantoka amin’ny fampandrosoana ny fambolena sy fiompiana ary jono isika satria ireo no hitondra antsika any amin’ny fampandrosoana. Ireo no seha-piharian’ny 80%n’ny malagasy. Mbola tsy resy i Madagasikara ary mbola afaka mankany amin’ny tsaratsara kokoa isika, hoy hatrany ny Ny Fireneko.
J. Mirija
Legende : Paul Rabary, mpitarika ny antoko « Ny Fireneko »
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT