Politique

Antoko politika « Ny Fireneko » Miantso ny rehetra hanao sata ho fitoniana politika


  • Alarobia 31 Mey 2023

Anatin’ny fanomanana ny fifidianana filoham-pirenena manaraka, hoy ny antoko politika Ny Fireneko omaly. Anatin’ny tanjona ho fiazonana ny firaisam-pirenena,

ho fiazonana ihany koa ny fitoniana politika eto Madagasikara, noho ny fahitana fa loharanona hetsi-bahoaka hatrany teto ny fifidianana ary tsy hahazaka korontana intsony ny toekarem-pirenena na koa olana ara-politika ary tsy ho tafarina isika raha mbola misy krizy politika manaraka indray dia miantso ny herivelona rehetra hifanaraka anatin’ny antsoina hoe «satam-pirenena ho an’ny fitoniana politika» na «Charte nationale pour la stabilité politique» ny antoko, hoy izy ireo. Sata izay sady tsy hanolo ny lalàmpanorenana izany. Tsy hampitombo na hampihena ny fe-potoam-piasana voafaritry ny lalàmpanorenana ihany koa. Tsy hametraka tetezamita politika. Tanjon’izany sata izany ny hahafahana mametraka araka ny tokony ho izy fifidianana malalaka, mangarahara, eken’ny rehetra, indrindra, fanajana ireo vokatra ambaran’ireo rafitra voafaritry ny lalàmpanorenana. Mendrika ny tsara kokoa i Madagasikara, hoy hatrany ny Fireneko tao anatin’ny fanambarana izay nataon’izy ireo omaly.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT