Politique

Antoko politika Ny Fireneko «Apetraho ny rafitra faritany mizaka tena!»


  • Alarobia 26 Aprily 2023

Ny anjara birikin’ny antoko politika Ny Fireneko hatreto dia ny mametraka ny adihevitra politikam-pampandrosoana eto amin’ny firenena, hoy ny filohany, Paul Rabary.

Mila manana safidy ho entina amin’ny 60 taona manaraka i Madagasikara, hoy izy. 60 taona izay no vita. Io no vokatra. Matoa betsaka ny kandida nirotsaka ho filoham-pirenena sy ny antoko politika dia tsy nionona tamin’io vokatra io isika fa nitady zavatra. Adihevitra ny politika dia mitondra ny hevitra no atao ahafahana mifanakalo, miady hevitra, mitady ny lalana ivoahan’ny firenena. Zava-dehibe izay saingy adino foana rehefa manao politika. Ny maha maika antsika dia hoe iza no tohanana na ahoana no atao amin’ny lalam-pifidianana, ny lalampanorenana nefa fitaovana daholo ireny. Fitaovana ny fifidianana. Inona no tanjona hampandrosoana ity firenena ity? Ny anjara biriky faharoa dia ny mampianatra sy mitarika ny olona hanao politika amin’ilay politika manan-kasina, manana faka, vahaolana ho an’ny firenena, faritra, kaominina. Tsy miresaka vahaolana intsony ny politika amin’izao fa olona sy fifidianana na fifanarahan’olona, fifandrotehan’olona. Olona hanao inona ary firenena ho entina aiza? Raha azo ny fahefana, ohatran’ny efa hita nataon’ny politika nahazo fahefana teto hatramin’izay, hanaovana inona? Rehefa mandeha ny asa fampandrosoana dia asa fampandrosoana mandiso fanantenana vahoaka satria tsy voadinika sy voarafitra amina tanjona iray. Te hanao politika miavaka izahay ary izany no antony hilazanay hoe tsy mbola fifidianana aloha no resaka. 300 isa ny antoko politika eto fa ny mampiavaka anay amin’ny hafa dia hoe manan-kevitra, mametraka fa tsy tokony hisy korontana io fifidianana io, vonona hifampiresaka amin’ny rehetra, mametraka ny hoe rafitra no zava-dehibe fa tsy olombelona. Izay ady hevitra mivoana amin’izay dia hialanay satria raha niasa be ny antoko politika rehetra tao anatin’ny 60 taona fa izao no vokany dia misy antony izay. Fakana fahefana no tanjona fototry ny fanaovana politika. Tsy hiadian-kevitra iny raha tiana ny hampihatra ny vina tian-katao saingy tsy amin’ny alalan’ny fidinana an-dalambe na fanonganam-panjakana fa amina alalana rafitra demokratika, fifidianana. Hoy izahay hoe apetraho ny rafitra faritany mizaka tena eto Madagasikara fa efa tsy tafavoaka intsony amin’io rafitra fanjakana tokana na «Etat unitaire» io intsony isika, hoy hatrany ny antoko politika Ny Fireneko!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT