Politique

Antoko politika Natiora «Tsy nivonona ho amin’ny mandat manaraka izao fitondrana izao»


  • Alatsinainy 22 Mey 2023

Fitondrana tsy nivonona ho amin’ny fe-potoam-piasana na «mandat» manaraka izao fitondrana izao, hoy ny antoko politika Natiora.

Mila manova toetsaina ny mpanao politika eto Madagasikara, hoy ny filohan’izy ireo, Mihari-Ni-Rencho. Ho fanovana ifotony ny fitantanana eto amin’ny firenena izany. Ny zava-misy iainan’ny malagasy dia tsy mahafeno ny fepetra idirana amin’izany tetezamita izany. Tsy hisy mpitondra fanjakana mihitsy hiteny hoe andao hanao tetezamita! Tsy misy olona efa nahazo famatsiana amina resaka fifidianana na miandry famatsiana amin’izany ka hiteny an’izany. Lojika izany. Lalaovina ny firenena sy ny malagasy. Raha tena tia ny malagasy dia mifampiresaka aloha satria na ny repoblika voalohany nitondrana ny malagasy aza tsy teny nierana taminy. Tia kano tsy tia kano io hoe ity, araka ny lalampanorenana frantsay, dia omena ny fahaleovantenany i Madagasikara. Fikaonandoham-pirenena handraisan’ny rehetra anjara, tsy misy hanavahana, ankehitriny no resahanay. Ny tetezamita izany amin’ity indray mitoraka ity izany dia resaka mankany amin’ny tena fahatsarana. Mihatsara ivelatsihy ny namana mpanao politika. Mody hoe tsy hisy fanonganam-panjakana fa fanjakana miongana. Aza fitahana ny vahoaka. Lazaina fa tompon’ny fahefana izy nefa tsy ny heviny akory foana no nalaina. Inona no tsy hitenenana hoe tetezamita io sa mody ovana anarana hafa indray? Ny antoko Natiora, ny taona 2019, no efa nivonona hanao fifidianana ka tsy resaka tahotra fifidianana mihitsy noho izany no iresahanay izany fa noho ny zava-misy iaraha-mahita, hoy hatrany ny antoko politika Natiora.
J. Mirija
Légende : Ny filohan’ny Natiora
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT