Antoko politika Natiora

«Tsy manana fotokevitra izany sady tsy atsy no tsy aroa izany»


  • Talata 09 Aprily 2024

Ny fifidianana ben’ny tanàna no omanin’ny antoko politika Natiora, hoy ny filohan’ity antoko ity,

Mihari-Ni-Rencho. Manara-dalàna izahay, hoy izy, ka aminay dia ny fifidianana ben’ny tanàna no tokony handeha alohan’ny solombavambahoaka. Anatin’ny fanoherana na RMDM izahay. Natao ny hetsika fotsy. Inona moa no anton’iny hetsika iny fa tsy hoe tsy tokony vazaha no mitondra ny firenena, ny HCC tsy mety, ny CENI tsy mety, ny tokontany mila diovina? Hay moa izany amin’izao fotoana izao satria handray anjara indray ireo hetsika fotsy izay nizara roa dia hay izany azon’ny vahiny entina ilay firenena, mety ilay HCC, mety ilay CENI, mety ilay tokontany. Aminay rehefa tsy mety dia tsy mety. Io izao ilay HCC efa namoaka didy tamin’ny raharaha Razanamahasoa Christine. Ny anay ny lalàmpanorenana manomboka amin’ny andininy faha 72 hatramin’ny 74, mazava be ny ao. Samy manana izay handroritany azy nefa moa ny mpahailalàna. Ireo izay mahay, nianatra momba ny lalàna dia ekena izay fa izahay kosa mitazona izay voalaza sy voasoratra dia tsy handray anjara izahay satria averiko foana fa ny fifidianana ben’ny tanàna no tokony handeha aloha vao ny fifidianana solombavambahoaka. Ny solombavambahoaka izay mbola ao anatin’ny fotoana iasany no hanaovana ny fifidianana dia tsy mety izany aminay satria efa manana tombondahiny daholo ireo solombavambahoaka rehetra ireo. Manana ny fotokevitray izahay. Ny atao hoe hery afovoany na «centriste» dia tsy hoe sady tsy momba ny antsy no tsy momba ny aroa fa ny anay dia hoe mila vahoaka misitraka ny zony izahay no mila tany tan-dalàna. Tsy manana fotokevitra izany sady tsy atsy no tsy aroa izany, hoy hatrany ny antoko politika Natiora.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT