Antoko politika Natiora

«Tsy hisy azon’ny vahoaka antenaina izany ao Tsimbazaza»


  • Alarobia 03 Jolay 2024

Efa eny Tsimbazaza indray izany izao ny mason’ny rehetra sy ny fitantanana eto amin’ny firenena satria nahazo

solombavambahoaka vaovao, hoy ny antoko politika Natiora. Rehefa nivoaka ofisialy ny anaran’ireo solombavambahoaka malagasy vaovao, hoy ny filohan’ity antoko ity, Mihari-Ni-Rencho, dia tokony tsy niandry ela fa nametra-pialana avy hatrany ny praiminisitra sy ny governemanta. Tsy mila miandry ela. Tokony efa miomana amin’ny fitsanganan’ny governemanta vaovao isika izao. Mikasika ny eny Tsimbazaza indray dia hiady mafy sy ho sahirana indray izany izao ny filoham-pirenena amin’ny fametrahana ny filohan’ny antenimieram-pirenena na PAN. Tsy hanova na inona na inona amin’ny fiainam-bahoaka nefa izay rehetra izay. Efa mitatao koa izao ny fampiakarana ny vidin-tsolika. Rehefa miakatra ny vidin-tsolika dia miakatra daholo ny fiainan-dRamalagasy. Ny tena mampametra-panontaniana izao dia hoe hahavita ny asany ve ny solombavambahoaka aty amin’ny fanoherana izay vitsy an’isa? Tsy misy ho antenaina ho vitan’ny solombavambahoakan’ny mpanohitra raha ho anay antoko Natiora satria mitovy amin’ny teo aloha ihany io. Mazava be koa fa milaza ny etsy ankilany fa nahazo ny maro an’isa tao anatin’ilay fifidianana solombavambahoaka fa tsy misy azon’iza na iza teriterena. Efa nahazo maro an’isa nefa ny solombavambahoakan’ny fitondrana teo. Nahavita inona? Nisy koa teo ny solombavambahoakan’ny fanoherana teo amin’ny 16 isa teo fa nahavita inona? Tsy hisy azon’ny vahoaka antenaina izany ao Tsimbazaza satria ny teo ihany no teo. Mila governemanta misokatra. Mila praiminisitra tena tekinisianina, mahazaka vahoaka, tena misokatra ho an’ny rehetra koa, hoy hatrany ny Natiora.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT