Politique

Antoko politika Natiora “Tompon’antoka amin’izay korontana eto ny HCC…”


  • Alarobia 02 Aogositra 2023

Vao vita ny fifidianana filoham-pirenena 2018 dia efa niomana tamin’ny fifidianana filoham-pirenena manaraka ny antoko politika Natiora,

hoy ny filohan’izy ireo, Mihari-Ni-Rencho. Niomana koa amin’ny fifidianana ben’ny tanàna sy depiote ary izay fifidianana manaraka rehetra tokony ho atao eto amin’ny firenena satria vita ny lalao 2018. Tompon’antoka amin’izay zava-miseho sy korontana miseho rehetra eto ny HCC, CENI, mpitandro filaminana, mpanao politika, fiarahamonim-pirenena. Hitanay antoko Natiora fa tsy feno ny fepetra hanaovana fifidianana. Miova foana ny famaranana ny isan’ny mpifidy. Mahagaga fa ny lisi-pifidianana tamin’ny 2018 mbola betsaka fa amin’izao izay efa namboarina, araka ny nambaran’ny CENI izao indray, no hoe nilatsaka ny isan’ny mpifidy eto Antananarivo. Ho sokafana indray ve izany io lisitra io? Tsy voaantson’ny CENI izao ny antoko Natiora dia rehefa nanontany dia hoe baiko no nomena anay hoe ireto ihany no asaina. Tokony amboarina, diovina aloha ny kianja. Efa hitanao izao ve fa misy mangala-taona dia ho avela ihany? Tsy misy lalàna eto izao mamaritra ny hoe rahoviana no tokony hanomboka ny fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana na “précampagne”? Ohatrinona no vola tokony ho laniana? Rahoviana izany no amboarina? Tamin’ny herintaona no tokony efa nanovana izany saingy efa niteny moa ny governemanta fa tsy hanova. Fanovana rafitra no tokony alefa aloha! Olona mipetraka any ivelany ve no tonga eto, 6 volana mialoha, milaza azy ho gasy dia hoe hilatsaka? Vita ny fifidianana dia lasa mody indray izy dia isika malagasy tafajanona eto no mifamono eto fa izy any raha tonga ny korontana. Tsy ilaina aminay ny CENI sy HCC fa ny fitsarana ambaratonga voalohany na “tribunal de première instance” dia tokony hahavita an’io, hoy hatrany ny Natiora.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT