Politique

Antoko politika Natiora “Te hanao mirakla ny fitondrana”


  • Talata 06 Desambra 2022

Hita ho te hanao asa mafy sy te hanao mirakla ny fitondrana ankehitriny, hoy ny antoko politika Natiora. Maro ny nampanantenaina sy napetraka, hoy ny filohan’izy ireo, Mihari-Ni-Rencho.

Tena ilain’ny vahoaka io fa laharam-pahamehana ve? Resaka famatsiam-bola daholo io. Tsy izay mety aminao no ataon’ny mpamatsy vola fa izay mety aminy. Fanomezana nofinofy ny malagasy ilay izy fa inoana fa mety hanohy azy ny filoha manaraka eo. Ilaina ihany ireo tsinona saingy tsy mbola ilaina maika na ao anatin’ny atao hoe “urgence”. Amin’ny natiora dia fandriampahalemana no laharam-pahamehana. Ao ve izay? Mila misakafo ny vahoaka. Rehefa voafehy ny sakafo sy fandriampahalemana, tsy tenenina akory ny resaka JIRAMA satria mino aho fa rehefa tapitra migadra ireo tale ao ireo dia tsy misy delestazy intsony, dia izay. Mila ovana ny fanaovana politika eto satria amiko manokana dia efa misy rivo-baovao eto amin’izao tontolo izao. 62 taona isika nitodika niakandrefana. Andao indray mba hitodika hiantsinanana. Any atsinanana izao no hitako hoe vahaolana. Hiatrika fifidianana isika nefa ny vahoaka noana sy tsy mandry fahalemana. Tsy tokony hisy ambonin’ny lalana. Tsy hitako ny hametrahana ny fitsarana avo na HCJ sy ny PAC hoe miady amin’ny kolikoly satria fidifidiana ilay olona. Rehefa amin’iza no ampiharina ny lalana dia rehefa amin’iza no tsy ampiharina? Mila amboarina ho mety amin’ny kolontsaina malagasy ny lalana. Mety ny “digitalisation” rehefa manana herinaratra ny 90%n’ny malagasy. Omeo fahefana feno ny fitsarana avo dia izay fa atao inona moa HCC sy CENI? Firy isan-jaton’ny firenena eto amin’izao tontolo izao no manana an’izany, hoy hatrany ny filohan’ny Natiora ?
J. Mirija
Legende: Ny filohan’ny Natiora
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT