Antoko politika Natiora

«Miverina mankany amin’ny fanjanahantany isika»


  • Talata 14 Mey 2024

Vanim-potoana nalaza tamin’ny tantaram-pirenena izany 13 may 1972 izany,

hoy ny antoko politika Natiora. Nidirana tamin’ny repoblika faharoa, hoy ny filohan’izy ireo, Mihari-Ni-Rencho. Tsy hay kosehina izany daty izany. Diso fanantenana ihany satria ninoana fa nanantena ny ankamaroan’ny malagasy tamin’izany fotoana ny ahita hoe Madagasikara tena an’ny malagasy. Ny zava-misy ankehitriny anefa dia miverina mankany amin’ny fanjanahantany isika fa amin’ny endriny vaovao. Tsy malagasy tompon’i Madagasikara no misy fa malagasy tompony mangataka atiny. Tsy mihinana, tsy mahazo tombony amin’ny harena sy zava-misy eto amin’ny taniny ilay malagasy izay miandrandra fahalalahana. Miandrandra fa tompon-tany tanteraka ka tena afaka higoaka ny zava-misy rehetra eto Madagasikara. Kianja manan-tantara eto Madagasikara ny kianjan’ny 13 may. Teo no nankan’andriamatoa Rajoelina Andry Nirina fahefana tamin’ny 2009. Na ny mpiasa izay manana zo hanamarika ny andron’ny 1 may aza anefa tsy navela nakeo. Mampalahelo izany. Amin’izao andro itenenana izao dia feno mpitandro filaminana eo nefa tsy nahenoana akory hoe hisy hidina eny. Aleo miaro mafy an’io kianja io toy izay miaro ny vahoaka any ambanivohitra any na ny vahoaka iharan’ny fanafihana isan’andro. Sahin’ny mpanani-bohitra sy dahalo izay mirongo fitaovam-piadiana mihitsy nefa any ny mifampitifitra amin’ny mpitandro filaminana, hoy hatrany ny Natiora.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT