Politique

Antoko politika Natiora “Misy fifanarahana miafina vaovao indray ao”


  • Alatsinainy 17 Oktobra 2022

Feno 64 taona ny 14 oktobra 2022 teo ny nanasoniavana fa miala anaty fifehezana na “annexion” Frantsay i Madagasikara, hoy ny antoko politika Natiora.

Tsy misy maminy ho an’ny malagasy hatramin’izao izany fifanaraham-pihatsarana ivelantsihy izany, hoy ny filohan’izy ireo, Rencho-Mihari-Ni. Fahaleovantena tsy azo tanaty ady no nomena ny malagasy. Fanerena taorian’ny fahavitan’ny ady lehibe faharoa no nanomezan’ny frantsay izany. Na ny hiram-pirenena na ny saina dia nanaovana fifaninanana. Taiza no hisy firenena hatsangana toy izany? Efa niaina izany fanjakan’i Madagasikara izay neken’ny britanika ary nanantsika ambasadaoro izany isika tamin’ny andron’ny mpanjaka Radama I. Nopotehin’ny Frantsay ny kolontsaina Malagasy. Avereno amin’ny malagasy amin’izay ny fitantanana ny firenena! Fotoana hitsanganan’ny malagasy hahatongavana amin’izany firenena manana ny fiandrianany izany izao. Ny mampandroso ny frantsay dia kolontsaina frantsay. Ny Japoney dia japoney. Ny sinoa dia sinoa. Tsy kolontsain’ireo na Amerikanina mihitsy no hampandroso an’i Madagasikara. Mbola ahiana ho misy fifanarahana miafina vaovao indray koa izao ao matoa isika nivadika ho lasa manameloka ny rosianina io, hoy hatrany ny Natiora.
J. Mirija
Legende: Ny filohan’ny antoko politika Natiora
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT