Politique

Antoko politika Natiora “Mila vonjena ara-panahy ny Malagasy”


  • Alarobia 14 Septambra 2022

Tena ilaina ny fikaonandoham-pirenena, hoy ny antoko politika Natiora, ary tena zava-dehibe ny fahavononan’ny FFKM. Raiamandreny ara-panahy ireo,

 hoy ny filohan’ity antoko ity, Rencho Mihari-Ni, satria ny malagasy dia mila vonjena ara-panahy koa ny malagasy. Mila isainan’ny malagasy tsirairay avy izao zava-misy rehetra izao. Efa nisy vono olona maro tany Antsakabary, Ankazobe, Moramanga, Ikongo, efa betsaka izay. Mbola faty olona koa ny tao Antsohihy sy Ambilobe. Fotoana hijoroan’ny FFKM izao satria mila mibebaka aloha ny malagasy. Tsy misy zavatra tongatonga ho azy fa fampisehoana ireny hoe mila midio ny malagasy tsirairay. Mila fo madio itondrana ity firenena ity satria I Madagasikara dia manana misitery nafoin-janahary ho an’ny malagasy. Adidin’ny FFKM no mandray an-tanana ny fikaonandoha. Miaina anaty savorovoro, fahasahiranana tanteraka, tsy filaminana ny malagasy. Tokony atsahatra amin’izay ny resaka lainga dia mila fahasahiana. Inona no tena zava-misy? Aoka hipetraka amin’ny maha olon’ny fitondrana na “homme d’Etat” ny ao anaty fitondrana. Ny famoahana ireo tsiambaratelo ao anaty fitondrana izay isan’ny mampisavorita-bahoaka miaina ao anaty horohoro dia ho lasa kolontsaina hipetraka eto amin’ny firenena, indrindra, ho an’ny mpanao politika. Mba atsaharo, hoy hatrany ny Natiora.
J. Mirija
Legende: Ny filohan’ny Natiora
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT