Antoko politika Natiora

«Miara-komana amin’ny fitondrana


  • Talata 23 Septambra 2025

izao ny loholona Lalatiana dia lasa mety aminy izao»

fa olana tamin’ny tetezamita ny delestazy ary efa tokony ho voavaha tanteraka amin’izao fotoana izao, hoy ny antoko politika Natiora, saingy misy Mafia mihitsy ao manakana izay tsy ho tanteraka. Atao fanahiniana mihitsy, hoy ny filohan’ity antoko ity, Mihari-Ni-Rencho, io tsy fisian’ny herinaratra sy rano io. Tsy tokony hisy delestazy izany eto, hoy izy. Rariny ny olona raha hitokona satria mijaly mihitsy ny fihariana. Potika ny fiharian’ny malagasy vao misondrotra manana orinasa. Efa tsy eran’ny aina intsony ny delestazy ary efa manginy fotsiny ny tsy fidiovana. Adidin’ny solombavambahoaka ny mitaky ho an’ny vahoakany toy ireny hita tany Arivonimamo ireny. Mpiray tsikombakomba izay solombavambahoaka mbola mihainohaino amin’izao. Tsy nahavita ny adidiny sy ny asany. Mendrika ho an’ny vahoaka ny hanana herinaratra, rano fisotro madio sy fidiovana. Ny mpiara-komana sy mpisolelaka amin’ny fitondràna moa milaza fa marefo ny fanoherana ary vitsy dia vitsy ny mpanohitra. Nangataka alalana foana ny anivon’ny fanoherana. Fantatr’ireo solombavambahoaka ireo izany fa tsy omena alalana ny fanoherana. Tsy nitarika vahoaka ry Babà sy Clémence fa ny vahoaka no nanaraka azy. Ry zareo tenany mihitsy no naneho fa tsy rariny ilay delestazy sy tsy fisitrahana rano. Fanakantsankanana foana ny eto. Nanaiky izao iny ny loholona Lalatiana fa tena niteny hoe hitarika fidinana an-dalambe raha mbola misy ny delestazy. Miara-komana amin’ny fitondrana izao ny loholona Lalatiana dia lasa mety aminy izao. Lazainy fa efa misy lamin’asa hamahana ny olana izao. Ilay lamin’asa efa hatramin’ny niandohan’ny naha filoham-pirenena an’i Andry Rajoelina, taom-piasàna voalohany, no natao fa tsy hita. Fampanantenana izao no misy foana. Rehefa ry zareo no misioka dia voromanga fa rehefa ny mpanohitra dia vorondolo. Tsy fionganan’ny mpitondra no takian’ny olona fa herinaratra sy rano, izay mbola tsy hisitrahana araka ny tokony ho izy eto ihany nefa efa taonjato faha 21. Mikasika an’io alakamisy 25 septambra io, na izany na tsy izany, dia somary tsy mazava ihany ny tena fiantsoana atao satria raha fiantsoana governemanta iraisana dia fiarahana mitsikombakomba amin’ny fitondràna ihany izany ary fanekena ny fotoam-piasàna fahatelon’i Andry Rajoelina. Mila atao matotra io, fivoriana fa tsy fiantsoana olona vitsivitsy. Izay no mahatonga ilay antso tsy tonga hatramin’ny farany foana satria misy mody miantso ao nefa miray tsikombakomba amin’ny fitondràna. Tsy hoe hamonoana ny resaka Népal io dia mody atao tsy tonga hatramin’ny farany eo, hoy hatrany ny antoko politika Natiora.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

  • FITONDRANA ETO MADAGASIKARA
  • Zoma 24 Aprily 2026

Matetika misy poizina manodidina ny Filoha...

  • Fikaonan-doham-pirenena
  • Zoma 24 Aprily 2026

Haroso amin'ny volana May

  • Hary Razafindrazaka
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Manameloka ny fisamborana tanora

  • Afera fifofoana ny ain’ny Filoha
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Nivoaka ny anaran’ireo olona 11 any am-ponja…

  • Gérard Ramamimampionona
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Ohatrany samy lasa manana ny Gen Z-ny!»

Hijery ny tohiny
FTT