Manoloana ny hetsi-bahoaka nisesy
nanomboka ny 25 septambra 2025 ka namafisin’ny miaramila avy ao amin’ny CAPSAT ny 11 oktobra 2025, ny antoko politika Natiora, izay mifototra amin’ny fanajàna ny mahaolona sy ny zo fototra amin’ny fahalalahana maneho hevitra ary ny sata repoblikanina, dia manao izao fanambaràna izao. Maneho fiaraha-miory amin’ireo fianakaviana niharan’ny herisetra sy mana-manjo, hoy ity antoko ity. Manameloka tanteraka ny fampiasàn-kery ka nandratràna sy nahafatesana olona nataon’ny mpitandro filaminana vitsivitsy. Mirary fahasitranana haingana ireo mbola anaty fitsaboana. Manameloka tanteraka ny fampiasàn-kery ka nandratràna sy nahafatesan’olona nataon’ny mpitandro filaminana vitsivitsy ary mirary fahasitranana haingana ho an’izay mbola ao anaty fitsaboana. Mankasitraka eram-po, eran-tsaina ireo tanora Gen Z manerana an’i Madagasikara! Mankasitraka ny herim-pon’ireo miaramila manamboninahitra sy manamboninahitra lefitra teo anivon’ny CAPSAT sy ny zandary ka niaro ny vahoaka nitaky sy naneho ny heviny. Zo fototra ho an’ny isam-batan’olona ny fanehoan-kevitra an-kalalahana, izay fototry ny demokrasia. Ny antoko Natiora dia manamafy ny tolom-bahoaka miaraka amin’ny tanora Gen Z ary miantso fitoniana ho an’ny vahoaka. Miantso ny vahoaka mba ho tony sy hiray hina ka hanatevin-daharana amin’ny tolona ho vanovàn-drafitra hanorenana Madagasikara vaovao, hoavy mamiratra tian’ny vahoaka. Fotoana izao hametrahana ny fotodrafitr’olona ivon’ny fampandrosoana maharitra sy ny tany tan-dalàna eto amin’ny tany sy ny firenena. Zava-dehibe ny nidiràn’ny miaramila hiaro ny vahoaka amin’ny maha andry farany na «dernier rempart» azy. Miantso ny tafika handray an-tanana ny fitondràna ny firenena! Ianareo no tokony hitondra aloha handamina ny firenena! Miditra ny antoko manana vina raha misy ilàna azy ireo. Mila ovàna mihitsy aloha ny rafitra eto Madagasikara mba tsy hiverenan’ny krizy sy hananana ilay Madagasikara vaovao, hoy hatrany ity antoko ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.