Antoko politika Natiora

«Ialao aloha ny lalàmpanorenana raha


  • Zoma 24 Oktobra 2025

tena hiala amin’ny frantsay isika!»

Tsy hita taratra hatramin’izao ny fanovàna tadiavin’ny vahoaka, hoy ny antoko politika Natiora. Tokony ho foana mihitsy ny lalàmpanorenana, hoy ny filohan’izy ireo, Mihari-Ni-Rencho. Mbola tazomina ihany nefa io ny antenimieram-pirenena sy ny fitsaràna avo momba ny lalàmpanorenana na HCC. Ny HCC izay nanao fahotàna mahafaty be teto amin’ny firenena. Nanao «haute trahison» na famadihan-tanindrazana satria nanaiky hilatsàhana frantsay ho fidiana filoham-pirenena. Nosafosafoana sy nodiana tsy hita, nolalovana fotsiny nefa izany. Fanovàna izany tokony ho rava daholo ny rafitra. Miverina mivory indray nefa io izao ny antenimierandoholona. Ny antenimieram-pirenena moa vao avy nifidy filoha sy birao maharitra. Miheritreritra ireo olona ireo izany fa hijanona ao mandra-pahatapitry ny fotoam-piasàny. Raha fanovàna tadiavin’ny vahoaka izay nitolomany nefa sy nisiana fifamonoana sy faharatràna, nisy fifandonana mahery vaika mihitsy teto amin’ny tany sy ny firenena, dia tsy hita taratra ilay fanovàna nahatonga izay ady sy tolona izay. Very momoka ny tolona. Safosafoina fotsiny ny fanendrena praiminisitra fa efa «Franc Maçon» no notendrena. Ialao aloha ny lalàmpanorenana raha tena hiala amin’ny frantsay isika! Tsy maninona raha tonga dia miresaka amin’ny rosianina. Izay firenena rehetra niala tamin’i Frantsa dia manatona akaiky dia akaiky ny rosianina ary ny rosianina tsy mpanjanaka. Tsy misy firenena zanatany rosianina. Efa tafavoaka daholo izao izay niala tamin’ny frantsay rehetra. Tsy niheritreritra an’izany fankatoavana iraisampirenena izany fa tonga dia fanonganam-panjakàna no nataony. Ny antsika tsy hay izay tena ambadik’ireo depiote ireto na nahazo vola indray angamba dia nanolotra an’io praiminisitra io satria nisy depiote sasany tsy nahalala. Mila depiote manazava amin’ny vahoaka hoe inona no antony nanolorany an’io. Ny mpanendry koa mila manazava hoe izao no antony nanendreko azy. Tokony teo amin’ny 13 may tsinona, raha ny tena izy, no nanendrena ny praiminisitra, hoy hatrany ny Natiora.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Paul Rabary
  • Alarobia 22 Aprily 2026

«Apetraho dien’izao ny rafitra tsy mitanila!»

  • Minisitry ny Fitsarana
  • Alarobia 22 Aprily 2026

« Niray tetika tamin’i Kol.

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Talata 21 Aprily 2026

«Fotoana hihainoana ny rehetra izao!»

  • ANTOKO FANOROLAHY-
  • Talata 21 Aprily 2026

FANAVAOZANA TENA IZY Ataovy aloha ny fifidianana

  • MADAGASIKARA (1991 – 2026)
  • Talata 21 Aprily 2026

Misy tsy mety ao matoa mikorontana isaky ny mihetsika

  • Hary Razafindrazaka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Ireo MAPAR anaty fitondrana

Hijery ny tohiny
FTT