Antoko politika Natiora

“Fotoana izao hanamboarana ny rafitra eto Madagasikara!”


  • Zoma 08 Septambra 2023

Tsy antoko mpi-werawera ny antoko politika Natiora fa hery afovoany, hoy ny filohany, Mihari-Ni-Rencho. Inona moa, hoy izy,

no dia anaovana watawata be nefa antotan-taratasy firotsahan-kofidiana no naterina? Hatramin’ny 2019 izahay no efa niomana tamin’ny fifidianana sy hitondra ity firenena ity. Nindaosin’ny fahafatesana ny volana janoary moa ny filoham-boninahitry ny antoko sady nokasaina atao kandida filoham-pirenena, Itompokolahy Mamy Richard Radilofie. Niezaka nametraka ny fototray na “base” izahay ary tsy ny antoko no mamelona ny mpikambana fa ny mpikambana no mamelona ny antoko. Maro ireo avy any amin’ny antoko vaventy no lasa aty aminay noho ny fotokevitra napetrakay. Averinay ihany fa tsy feno ny fepetra tokony hanaovana fifidianana. Lalàna efa hita fa tsy nety hatramin’ny 2010 no mbola ampiharina. Izahay nangataka foana ny hoe fanovana rafitra. Rafitra mety amin’ny fiarahamonina malagasy, kolontsaina malagasy. Hery Tiana Guy La Chapelle no anaran’ny kandidanay. Na dia ny anarany fotsiny aza dia efa mazava be fa manana zom-pirenena miisa 2 izy ary ilay zom-pirenena iray nolovainy tamin’ny razambeny fa tsy mitovy ny an’ny filoham-pirenena ankehitriny. Manana zom-pirenena miisa 2 daholo ny ankamaroan’ireo kandida ireo. Mihazakazaka mitady zom-pirenena frantsay isika malagasy vao manamanam-bola. Ny tanjonay dia ny haneho hoe io izahay fa vonona handray anjara amin’ny fifidianana. Miisa 300 eo ny antoko eto. Tsy hay hoe haninona fotsiny. Ny vinanay dia hoe fotoana izao hanamboarana ny rafitra eto Madagasikara fa mila fanovana rafitra i Madagasikara, hoy hatrany ny antoko politika Natiora!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT