Antoko politika Natiora

“Efa hanomboka ho tsapan’ny malagasy hoe iza no iza?”


  • Alakamisy 07 Desambra 2023

Tsy nandamoka ny tolona fa maro no namaly ny antson’ireo vondron’ny kandida ka

tsy tonga nifidy ny 16 novambra teo, hoy ny antoko politika Natiora. 11 tapitrisa eo no isan’ny mpifidy, hoy ny filohan’izy ireo, Mihari-Ni-Rencho. 2 tapitrisa mahery no vato azon’i Andry Nirina Rajoelina. “On a perdu une bataille mais pas la guerre.” na koa hoe resy tamin’ny fifanandrinana isika fa tsy resy an’ady, hoy i De Gaulle izay. Arakarak’izay zava-misy eo no hitondrana ny ady. Efa tamin’ny 2020 no nikaon-doha teny By Pass ny mpanohitra ary nilaza fa tsy mety io CENI sy HCC io. Mbola nisy nanaiky hilalao tao anatin’ireo rafitra tsy mety ireo nefa. Inona moa no atao fa hiandry ny fametrahana ara-pomba ofisialy ny filoham-pirenena izany dia ho hita eo indray hoe iza avy no andeha hankany. Efa hanomboka ho tsapan’ny malagasy hoe iza no iza dia iza no mpamitaka sy mpampiresaka? Tsy adala ny malagasy saingy ny mampalahelo dia diso fanantenana ireo tena vonona hitolona tamin’iny hetsika fotsy iny. Ry zareo moa no nitarika dia nisy ny nilaza hoe diso stratejia fa amiko olona efa nitantana firenena ny ankamaroan’ireny. Tsy diso stratejia ry zareo fa iny mihitsy no tiany natao. Asa raha handeha io fitantanana io satria tsy maintsy hiady toerana ry zareo samy zareo. Ny fifidianana iny no vita fa ny fiadiana seza izao hafotaka ary izay tsy mahazo mety hivadika aty amin’ny mpanohitra. Tokony hiova saina amin’izay ny malagasy ary anton’ny hetsikay ny 10 desambra io. Fampianarana ny mpikambana no ho ataonay ao. Hijery izahay hoe inona no atao hoe politika mety amin’i Madagasikara? Misy lafin-javatra na “paradigme” miisa 7 ho velabelarina amin’ny alalan’ny antsoina hoe “progiciel” na tekinolojia hametrahana vina ho an’i Madagasikara ary iarahanay miasa amin’ny AFK na Antso fiarahamonina Kristianina. Hitanay fa isan’ny fitaovana lehibe hanova an’i Madagasikara io, hoy hatrany ny antoko politika Natiora.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT