Antoko politika Natiora

«Ambony noho ny fankatoavana iraisampirenena ny


  • Alarobia 19 Novambra 2025

fankatoavana ara-bola»

Diso fanantenana ny antoko politika Natiora, hoy ny filohany, Mihari-Ni-Rencho, saingy tsy midika nefa izany hoe avy hatrany dia manohitra fa miheritreritra aloha hoe inona no hanampiana na hamahana olana manoloana izay fahadisoam-panantenana izay? Matetika, hoy izy, rehefa toy izao dia ilay olona mpampiresaka daholo no lasa mahazo toerana satria milaza abobo sy lainga daholo no manodidina ilay fitondràna ary mitondra ilay hoe fanovàna. Aza adino nefa fa tsy fanavaozana no notakiana teny an-kianja fa fanovàna! Nisy nitondra io teny hoe fanavaozana moa izany nefa dia lasa ohatrany hoe trano mila ravàna hatrany amin’ny fotony ilay izy nefa ny ao anatiny ihany no avaozina. Mila fanovàna ifotony nefa ary izay no notakian’ny vahoaka. Vonona hitondra vahaolana ho an’ny firenena sy hanampy ny filoha Michael ny antoko Natiora. Isika ve tsinona hitondra fanovàna dia mbola hitavandra amin’ireo mpamatsy vola iraisampirenena ireo foana? Mbola hampifilafila antsika ny banky iraisampirenena sy ny tahirim-bola iraisampirenena. Toy izany koa ny vondrona eoropeanina. Ny sitrapon’ireo no arahana raha mbola ireo foana no andrasana. Ny vahaolana ho arosonay dia 1 volana, raha ela indrindra, no hahazoana ny atao hoe «reconnaissance financière» na fankatoavana ara-bola. Izay no ahafahan’ny malagasy miditra amin’ny fanovàna. Ho voaray mpiasam-panjakàna daholo ny mpampianatra sy ny mpiasan’ny fahasalamàna. Azo antoka ny karaman’ny mpiasam-panjakàna. Izahay nefa tsy mba isan’ireo olona misolelaka. Matetika hitaraina no hankanesan’ny olona any amin’ny filoha Michael fa ny anay hitondra fanovàna sy zavatra ho an’ny firenena. Mitady fotoana hihaonana amin’ny filoha izahay izao ary sahinay ny miteny fa raha mahazo toerana izahay ka tsy misy fanovàna anatin’ny 1 volana dia miala izahay. Ambony noho ny fankatoavana iraisampirenena ny fankatoavana ara-bola. Rehefa azo ny fankatoavana ara-bola dia afaka misafidy isika hoe iaraka hiasa amin’ny tantsinanana sa tandrefana? Mba hahazoana fanjakàna matanjaka, araka ny nambaran’ny filoha Michael, dia tsy tokony hilatsaka amin’ny fifidianana rehetra manaraka intsony izay rehetra efa nitondra. Toy izany koa ireo manana zom-pirenena hafa ankoatran’ny malagasy. Tsy tokony hilatsaka koa izay mihoatran’ny 70 taona. Olona avy amina antoko politika nitsangana tanaty ny 10 taona, fara faha keliny, no tokony azo ekena ho kandidà, hoy hatrany ny antoko politika Natiora.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Talata 21 Aprily 2026

«Fotoana hihainoana ny rehetra izao!»

  • ANTOKO FANOROLAHY-
  • Talata 21 Aprily 2026

FANAVAOZANA TENA IZY Ataovy aloha ny fifidianana

  • MADAGASIKARA (1991 – 2026)
  • Talata 21 Aprily 2026

Misy tsy mety ao matoa mikorontana isaky ny mihetsika

  • Hary Razafindrazaka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Ireo MAPAR anaty fitondrana

  • POLITIKA sy RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila mailo ihany ny tanora

  • RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Tsy nanao amboletra naka Fitondrana

Hijery ny tohiny
FTT