Antoko politika MONIMA

Mitaky ny fanovàna ny rafitra


  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

nisy teo aloha

apetrantsika ho ivon'ny fanorenana, hoy ny filoha nasionalin'ny antoko politika Monima, Monja Roindefo Zafitsimivalo, ny demokrasia ara-politika, toekarena, sosialy. Lafiny miisa 3 ireo fa tanjona iray, hoy izy nandritry ny fidirana politikan'ity antoko ity tetsy amin'ny Cemes Soanierana ny sabotsy teo. Tsy ho teny am-bava fotsiny ny fiandriànan'ny fiainàm-bahoaka fa ho hita amin'ny fiainana an-davan'andro. Niaraha-niaina tamin'ny fitondràna teo aloha tsinona fa rehefa te hamendrofendro ny vahoaka malagasy dia ambom-pom-pirenena foana no kitihina nefa ny fomba fanao tsy mifanandrify amin'izay. Ny 10 oktobra 2025 dia niantso ny tafika ny filoha nasionalin'ny Monima mba handray ny andraikiny sy hampitsahatra ny herisetra sy niantso ihany koa ny hampitsahàrana izany fomba fanao politika mamohenatra izany ary mbola ijoroan'ny antoko hatramin'izao ny maha zava-dehibe ny lafin-javatra miisa 3 voalaza teo, hoy hatrany ny Monima. Nanamafy ny antoko fa manohana ny fitondràna ary mandroso soso-kevitra hatrany hampahomby ny tolona ialàn'ny firenena tanteraka anatin'ny fahantrana lalina mianjady aminy hatramin'izay. Mitaky ny fanovàna ny rafitra nisy teo aloha nefa izany rehetra izany, hoy ihany ny antoko.
Nangonin'i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

Hijery ny tohiny
FTT