Antoko politika Monima

Manameloka ny habibiana tamin’ny depiote Fetra


  • Alatsinainy 13 Novambra 2023

Namoaka fanambarana omaly hariva ny birao foiben’ny antoko politika Monima

fa manameloka amin’ny heriny rehetra ny habibiana nataon’ny mpitandro filaminana tamin’ny solombavambahoaka TIM, Fetra Ralambozafimbololona, teny Mahamasina sy ny fitifirana bala tena izy naharatrana iray amin’ny mpanao fihetsiketsehana teny an-toerana. Ireny dia fanosihosena ny zo fototra haneho hevitra an-kalalahana araka ny fenitra demokratika hita eran’izao tontolo izao, hoy izy ireo. Tsy misy antony, na inona na inona, azo hanamarinana ny toe-javatra toy ireny. Tsy misy ifandraisany amin’ny “opération de maintien de l’ordre” na fepetra hitandroana filaminana lazaina fa ataon’ny mpitandro filaminana. Misitona ny sain’ny tomponandraikitra ambony ao amin’ny mpitandro ny filaminana, fa ny zavatra toy ireny izay efa miseho matetika, dia manala baraka azy ireo sy ny firenena malagasy, hoy hatrany ity antoko politika tarihin’ny praiminisitra teo aloha, Monja Roindefo ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT