Antoko politika MONIMA

“Anaty tetezamita mandeha ila isika izao!”


  • Alarobia 13 Septambra 2023

Ny olona mianatra lalàna na siansa mikasika ny fiarahamonina, taona voalohany dia efa ampianarina ny atao hoe ambaratongan-taratasim-panjakana na

hiérarchie des textes”, hoy ny antoko politika MONIMA, tetsy amin’ny fonenan’ny filohan’izy ireo Monja Roindefo Zafitsimivalo, omaly. Ambony indrindra ny aorian’ny lalàna na fifanarahana iraisampirenena ny lalàmpanorenana, hoy ity filohan’ny antoko ity. Avy eo ny lalàna fehizoro na “loi organique”. Manaraka ny didy hitsivolana na “ordonnance”. Manaraka amin’izay ny didim-panjakana na “décret”, ny didim-pitondrana na “arrêté”, ny naoty sy ny hafa rehetra. Raha ny mikasika ny asana filoham-pirenena dia tafiditra anaty atao hoe “transition de facto-unilatérale” na tetezamita mandeha ila isika izao. Izany hoe tetezamita ihany satria ny filohan’ny antenimieram-doholona mbola filohan’ny antenimieram-doholona fa tsy misahana ny andraikitry ny filoham-pirenena izay fahefana nomen’ny lalàmpanorenana azy. Ny governemanta no misahana izany anaty fiaraha-mitantana na “collégialement” fa tsy araka ny voasoratra na “textuellement”. “En cas de forces majeurs” na tsy azo hanoharana nefa no tokony hisian’izany. “Unilatérale” na mitanila ilay izy satria governemanta efa teo ihany no misahana izany. Tsy mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana izay ka tafiditra ao anaty krizy sahady noho izany ny firenentsika. Ny mahagaga fa ny HCC izay tokony fara-tampony amin’ny fahazoana ny lalàna no manao izany zavatra izany. Manohintohina ny mpisehatra ny fanapahan-kevitry ny HCC. Tsy matoky azy intsony ny mpilatsaka ho fidiana fa ny vahoaka malagasy iraimanontolo ihany koa. Mila ahitsy izany fa tsy hisy hifampatoky eto. Hitarika korontana eto amin’ny firenena ny zavatra toy izany, hoy hatrany ny MONIMA.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT