Politique

Antoko politika MMM “Tokony hijerena ny tantsaha ny ampahany betsaka amin’ny volam-panjakana”


  • Talata 25 Oktobra 2022

Nitokana fotodrafitrasa, lapan’ny tanàna any Mangindrano, distrikan’i Bealanana ny filoha nasionalin’ny antoko politika Malagasy miara-miainga na MMM,

Andrianainarivelo Hajo sy ny depiote Volahaingo Marie Therese ny faran’ny herinandro teo. Nambaran’ity filoha ity fa tsy vitan’olon-drery ny fampandrosoana ary tanindrazana iombonana i Madagasikara. Ilaina ny firaisankina sy fiaraha-miasa ahafahana manova ny tantara, hoy izy. Tokony hatokana ho amin’ny fambolena sy ny fijerena ny tantsaha ny ampahany betsaka amin’ny volam-panjakana. Mba tsy ho ny tantsaha any amin’ny firenen-kafa indray no hovelomina. Tokony hapetraka amin’ny toerany ny fitsinjaram-pahefana mitsinjo ny eny ifotony eo amin’ny vola sy ny fampitaovana. Anisan’ny nametraka ny tantara teto amin’ny firenena ny depiote MMM. Anisan’izany ny depiote Volahaingo Marie Therese, voafidy ato Bealanana. Manantena aho ny hitohizan’ny fifampitokisana eo amin’ny vahoaka sy ity olom-boafidy ity, hoy hatrany izy. Notokanana tamin’izany moa ny lapan’ny tanàna nohatsaraina tao an-toerana. Teo koa ny fanomezana fitaovana sy kojakoja samihafa, ho an’ny CSB sy ny EPP ao Mangindrano. toy ny fanitso, kidoro, simenitra. Nanotrona izany ireo ben’ny tanàna avy amin’ny MMM amin’ireo kaominina miisa 18 any an-toerana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT