Politique

Antoko politika MMM “Mandika lalàna ny CENI”


  • Alakamisy 09 Febroary 2023

Nantsikafon'ny antoko politika Malagasy miara-miainga na MMM ny fomba fiasan'ny CENI amin'izao fotoana izao. Nohitsin'ny mpitondra tenin'ny MMM, Rakotomalala Rija, ny fihoaram-pefy ataon'ity rafitra mpikarakara fifidianana ity.

Tokony hanara-dalàna ny Ceni, hoy izy. Tsy voahaja anefa izany. Heno sy hita ary anananay porofo fa mbola mandray anaran'olona amin'ny lisitry ny mpifidy izy ireo. Mbola misy olona mameno ny lisitra anaty karne sy mandray anarana any nefa efa tapitra ny fe-potoana tokony hanaovana izany fa efa eny anivon'ny fokontany indray izao no tokony handraisana izany. Hiantraika amin'ny fikarakarana lisi-pifidianana sy ny fifidianana izany. Tafiditra ao anatin'izany ny fifidianana filoham-pirenena sy ny eny anivon'ny kaominina. Etsy andaniny, olana efa napetrakay koa ny fikirakirakana ny rindram-baiko amin'ny fampidirana ny anaran'ny mpifidy anaty solosaina hiatrehana ny fifidianana roa samihafa. Nokirakirain'izy ireo samirery tao izany ary tsy nanaovana fanadihadiana na "Audit" ilay rindrambaiko ahafahana mijery ny anarana miverimberina na "doublons" na misy tokoa na tsia. Tsy manaraka ny fenitra anefa io fitaovana io, hoy hatrany izy. Notsiahivina avy eo fa 37% ny tahan'ny isan'ny mpifidy ny volana desambra teo ary nambara kosa ny janoary teo fa maherin'ny 9 tapitrisa izany izao. Mbola mitady mpifidy hatrany amin'ny 4 tapitrisa mahery izany ny Ceni, vao hahatratra ilay mpifidy 13 tapitrisa. Efa tsy tomombana hatramin'ny voalohany io. Takianay MMM ny mba hanampian'ny fanjakana ny hampanarahana fenitra eo amin'ny fitaovana, ny vola ary koa ny olona, afahan'ny Ceni manao ny asany, hoy hatrany ny MMM.
J. Mirija
Legende: Rija Rakotomalala Mpitondra tenin’ny MMM
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT