Politique

Antoko politika mitaky fikaonandoham-pirenena “Tokony hivondrona hiteny amina feo iray”


  • Alakamisy 03 Novambra 2022

Lakana voizina amina fivoy tapaka izany fikaonandoham-pirenena tsy handraisan’ny fitondram-panjakana anjara izany, hoy ny avy eo anivon’ny antoko politika Fiombonana.

Tsy ho tonga lavitra izany, hoy izy ireo, satria raha heritreretina hoe tokony ho ny fitondram-panjakana no lohalaharana amin’ny fanomanana izany dia lasa ry zareo avy aty amin’ny RMDM indray izany no hialoha lalana. Ilaina foana nefa ny faharisihana toy ireny eto amin’ny tany sy ny firenena mba hanairana ny fianakaviambe iraisampirenena ohatra na azo heritreretina koa ny mpitondra fanjakana. Matoa nefa tsy taitra amin’io ny fitondram-panjakana dia efa misy kajikajy politika mandeha any ambadimbadika any. Izay no mety mampiahiahy ny RMDM ka nahatonga azy ireo hikarakara ity fikaonandoha ity na dia tsy ao aza ny fitondram-panjakana. Tokony hivondrona hiteny amina feo iray ny antoko politika rehetra mitaky ilay fikaonandoham-pirenena satria ny mampalahelo dia samy manao fanambarana manokana daholo. Hisy lanjany kokoa anefa rehefa iray ny feo. Tsy ho tonga lavitra io rehefa tsy mandray anjara ny ao anaty fitondrana, hoy hatrany ny Fiombonana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT