Politique

Antoko politika MFM “Mankahery anareo FFKM hatrany!”


  • Talata 10 Oktobra 2023

Mamerimberina manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny ny antoko politika MFM izay manamafy

amin’ny firaisankinan’ny vondron’ireo kandidà miisa 11 ka manao izao fanambarana izao. Tsy miova amin’ny fotokevitra nijoroany mahakasika ny fifidianana ka mampahatsiahy hatrany fa miantso ny fitondram-panjakana mba hanaiky ny fifampiresahana ka hifantoka amin’ny fametrahana rafitra vaovao ho amin’ny fifidianana miaraka amin’ny andrim-panjakana tsy mitanila, mibanjina fifanarahana iombonana na teny ierana ao anatin’ny fotoana voafetra hifanarahan’ny rehetra ny MFM. Manameloka ny fampiasan-kery amin’ny endriny rehetra ny MFM, mangataka ny famoahana ireo niharan’ny fisamborana izay naneho hevitra am-pilaminana. Mirary ihany koa fahasitranana ho an’ireo izay naratra. Avelao ny olona hiteny fa izay no antoky ny fahalalahana ka anjaran’ny mpitandro ny filaminana no miaro ny ainy sy ny fananany. Tohizana ny dinika FFKM ka mankahery anareo hatrany amin’ny fitadiavana lalana fikatsaham-bahaolana ho an’ny firenena! Manohana ny ezaka ataon’ny raiamandrenim-piangonana ny MFM. “Lazao amin’ny zanak’Israely mba handroso…”, hoy hatrany ny MFM nindrana ny teny ao amin’ny Baiboly, ao amin’ny Eksodosy 14-15b.
J. Mirija

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT