Be dia be ny olona manam-pahaizana sy traikefa ary tia tanindrazana eto, hoy ny
filohan’ny antoko politika MCDM, Alain Andriamiseza. Apetraho, hoy ity antoko ity, ny governemanta tena mahavaha olana. 2 andro io dia hitan’ny olompirenena hoe tsy mahavaha olana. Tsotra ny hafatra amin’ny filoham-pirenena. Asio fitaratra vaovao! Mila mijery zava-baovao ny malagasy. Iny no mitondra ny fanantenany. Na olona iray tsy azoazon’ny olona aza no hapetraka eo dia efa maty daholo ny hasin’ilay governemanta iraimanontolo. Tokony mandinin-tena lalina izao ny filoham-pirenena. Maka fepetra lalina ahafahany mankany amin’ny fanavotana ny malagasy. Lasa firenen’olom-bitsy izao ny firenentsika. Raha jerena amin’ny fiditry ny vahiny dia ny 25% amin’ny malagasy fotsiny izany sisa no mitavana ny harem-pirenena eto Madagasikara. Amin’ny io 25 io mety ny 5% no tena mihinana fa ny sasany mievaeva. Tsy fotoana hamahana izany olana izany ve izao? Fotoam-piasana farany, raha ny voalazan’ny lalàna, ny an’ny filoham-pirenena ity. Tsy hisy afaka haninona azy intsony izany rehefa miala izy afaka mandeha mitsangatsangana amin’izay tiany aleha. Fotoana akana fanapahan-kevitra mahery vaika itodihana any amin’ny fanavotam-pirenena izao. Miteny ny mpitondra antsika fa tsy afa-manao na inona na inona isika raha tsy misy ny volan’ireo mpamatsy vola. Tsy marina izany. Izay nefa no politika entiny dia tsy maintsy voatery mitodika amin’izay isika. Tsy maintsy dinihina ny zava-misy mialohan’ny andraisana fanapahan-kevitra, hoy hatrany ny MCDM.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.