Politique

Antoko politika Matsilo “Hidina an-dalambe eto Antananarivo izahay”


  • Alarobia 19 Jolay 2023

Na hanao fifidianana na tsia ny filoham-pirenena amin’izao fotoana, tsy lojika ny hoe filoham-pirenena malagasy ho frantsay, hoy ny antoko politika Matsilo.

Tsy maintsy haneho ny hevitry ny vahoaka izahay, hoy ny filohan’izy ireo, Joseph Yoland. Ny vahoaka no masi-mandidy sy tompon’ny fahefana nampindrana izany tamin’ireto mpitondra ireto. Voafitaka ny vahoaka. Hidina an-dalambe eto Antananarivo izahay ny sabotsy izao dia avy eo izany hetsika izany entina mipariaka manerana ny nosy. Hiarovana ny tanindrazana, fitiavan-tanindrazana no tanjona. Ny vahoaka malagasy tia tanindrazana no hitarika izany. Mila milamina mialohan’ny fifidianana ny firenena. Ny vahoaka no haneho ny heviny na hahazo alalana na tsia ny fihetsiketsehana ho atao. Efa misy olona nametraka ny fangatahana alalana any. Izahay no hitarika ny vahoaka satria tsy rariny izao zava-misy izao, hoy hatrany ny antoko politika Matsilo.
J. Mirija
Légende: Joseph Yoland
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT